Politique

Mpandala ny ara-dalŕna Tsy manana kandida afa tsy i Marc Ravalomanana


  • Talata 08 Janoary 2013

“Mpanohitra foana izahay raha mbola eo Rajoelina”, hoy Ralaiseheno Guy maxime omaly tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana, Behoririka.

 Nasiany resaka koa ny fihetsika sy ny fomba fanaovana politika eto amintsika. Raha ny tokony ho izy, hoy ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity dia hanompoana ny hafa ny fanaovana politika fa tsy hamenoana paosy na hanangonan-karena, na koa ny fivadihana palitao toy ny ataon’ny sasany. Misy farany anefa io ataon’i Andry Rajoelina sy ny tariny io, hoy izy. Fanonganam-panjakana rahateo no nataon’izy ireo. Ankoatra izay dia nambaran-dRalaiseheno Guy Maxime fa tsy manana kandida afa tsy i Marc Ravalomanana ny tenany.

Nanentana ireo mpiara-dia aminy moa izy hanohana hatramin’ny farany izany lehilahy izany, ary hitady ny fomba rehetra hampandresena azy. Nohamafisin’i Zafilahy Stanislas izany satria ny any amin’ny faritra dia nilaza mazava fa tsy hanaiky. Tsy misy olon-kafa afaka hamaha sy hanarina indray ny firenena izay efa tena potika raha tsy i Marc Ravalomanana ka dia miandry ny fahatongavan’ny maherifony eto izy ireo. Tsy andrankandrana ny fitondrana firenena fa mila olona matotra sy asa mirindra, fa tsy olona fahatany. Ravalo ihany no kandida.

Matoky azy tanteraka izahay na dia efa niteny aza ny filoha fa tsy hirotsaka raha izay no hahasoa ny firenena, hoy ity filoha lefitry ny Kongresy ity. Vao mainka ihany koa nampitombo ny fanantenana sy nampipongatra ny fahamarinana ny nivoahan’ilay fijorona vavolombelona nataon’ny kolonely Charles Andrianasoavina. Raha nanao ratsy teto amin’ny firenena iny rangahy iny (Marc Ravalomanana) dia tsy nanaiky fa tsy maintsy nirotsaka. Tsy sahy hanao izany anefa i Andry Rajoelina, hoy i Zafilahy satria ny ratsy rehetra ao an-damosiny. Raha hiroso hirotsaka izy dia tsy hanome vola ny fianakaviambe iraisam-pirenena, raha tsy hilatsaka anefa izy ho raisim-potsiny amin’ny fitoriana efa miandry azy eo anivon’ny tribonaly iraisam-pirenena na ny TPI. Tsy Ravalomanana no mila amnistia fa Rajoleina no mitaky izany, hoy ihany i Zafilahy Stanislas izay nanentana ny olona hifoha. Mbola mila sy mitady ny filoha Ravalomanana ity firenena ity.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT