Politique

Mpandala ny ara-dalŕna Ny vahoaka no mitaky an’Atoa Ravalomanana ho kandida


  • Alatsinainy 07 Janoary 2013

Tsy misy vahaolana raha tsy misy fifidianana. Tsy fifidianana jiolahimboto anefa izany fa tsy maintsy mila fampihavanana ny samy Malagasy, indrindra ny mpanao politika aloha, hoy ny Rév. Andrianalijohn Ndriamanampy.

 Nambaran’ity mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita ity fa ny profesora Zafy Albert ihany no tokony hitarika izay fampihavanana izay. Nambarany koa fa tsy ekena raha tsy i Marc Ravalomanana ihany no kandida satria izy ihany aloha hatreto no mahavita. Nohamafisin-dRtoa Pilcoq, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert, izay filazana izay. Izahay vahoaka, hoy izy no mitaky ny firotsahany hofidiana na dia efa niteny aza izy fa tsy hirotsaka raha izay no mahamety ny firenena. Tetsy an-danin’izany dia nandrisika an’i Andry Rajoelina hirotsaka hofidiana ny CT Ralaimampisainarinony Manoela hotsarain’ny vahoaka. Nohamafisiny koa fa dia matoky ny filoha Ravalomanana ny tenany. Niantso ireo filoha sy mpitondra fanjakana hitana ny teniny izy amin’ny fampiharana ny sori-dalana, indrindra fa ny andininy faha-20 dia ny fodiana tsy misy fepetra ho an’i Marc Ravalomanana sy ireo sesitany politika tsy ankanavaka. «Atero ny dadanay», hoy izy. 

 
Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT