Politique

Mpandala ny ara-dalŕna Mila miala Rajoelina


  • Zoma 01 Febroary 2013

Tsy maintsy mitady izay fomba rehetra hanesorana an-dRajoelina isika, hoy Randriamamizafy Ignace, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy any Moramanga.

 Raha mbola avela eo ny filohan’ny FAT dia ho tetezamita foana isika hatramin’ny taona 2018, hoy izy. Tetsy andanin’izany dia nambaran-dRavelonanosy Mamy Tiana fa ny Groupe International de Contact Madagascar na ny GIC-M no tokony handinika ny fanatanterahana ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana ary ny governemanta amin’izao fotoana izao no hanantanteraka izany. Nanamarika ity mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita ity fa isaky ny akaiky ny fotoana tokony hodian’i Marc Ravalomanana dia tonga eto Madagasikara hatrany ny Dr Leonardo Simao. Raha ny fodian’ny filoha Ravalomanana no mbola atahorana kanefa olona efa tsy hirotsaka hofidiana dia efa zavatra hafa, hoy Ravelonanosy Mamy Tiana. Mikasika izay fifidianana izay dia nambarany fa tokony hofantarina ny tena zava-nisy, avy eo miroso amin’ny fifamelana sy ny fampihavanana izay vao manao fifidianana.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT