«Tsy to teny i Andry Rajoelina ka tokony hametra-pialana», hoy Fidison tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly. Tsy mahazo rariny foana amin’izay nataony, hoy izy. Anisan’izany ny tsy naneken’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana ny tolo-kevitr’i Andry Rajoelina momba ny resa-pifidianana. Ny FFKM no hany raimandreny to teny eto, hoy i Fidison.
Nanao antso avo amin’ireo raiamandrenim-piangonana ireo ity farany mba handray andraikitra hahazoana mamerina ny ara-dalàna, hiverenan’ny maha firenena Repoblikanina an’i Madagasikara, hirosoana ihany koa amin’ny fihaonana an-tampony hametrahana ny tena fampihavanam-pirenena. Nambarany ihany koa fa tsy manana fomba hanakanana ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana intsony i Andry Rajoelina. Nohamafisin’i Loginco fa dia tsy hiala ao an-kianja ny ankolafy Zafy Albert, misy azy, raha tsy tonga eto Madagasikara i Marc Ravalomanana.
Tetsy andanin’izany dia nambaran’ny CST Randrianjatovo Henri fa tsotra ny resaka eo anivon’ny CST sy CT : miala Rajoelina sy Richard Ravalomanana. Mangataka ny hisiana fivoriana maika handinihina ny fampihenana ny fahefan-dRajoelina ny eo anivon’ireo parlemanta, hoy izy. Eo koa ny fananganana ny vaomiera hanao fanadihadiana momba ny fitantanam-bolam-panjakana.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.