Politique

Mpandala ny ara-dalana Any amin-dRavalomanana ny lakile


  • Alatsinainy 21 Janoary 2013

Noho ny fanonganam-panjakana nisy teto tamin’ny 2009 dia an’aliny ireo very asa hany ka lasa mpivarotra amoron-dalana ny ankamaroany.

 Marika izany fa miha-mahantra ny Malagasy, hoy ny mpandrindra ny antoko Tiako I Madagasikara eto Antananarivo Renivohitra. Tsy fotoana hisintahan’ny fanjakana amin’ny tsena izao tetezamita izao, hoy izy. Tetsy andanin’izany dia nambaran’ny CST Ravelonanosy Mamy Tiana izay mpandrindra ny Tiako I Madagasikara any amin’ireo faritra manodidina an’Antananarivo fa mbola te hijanona dimy taona eo amin’ny fitondrana i Andry Rajoelina fa tsy mijery izay fahantran’ny vahoaka.

Tamin’iny herinandro iny koa dia nambarany fa nisy ny tafa nifanaovan’ireo mpitaritolona tamin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay nanome toromarika ny hoe : “hamafiso ny firaisankina, tonga any aho maka fanapahan-kevitra”, araka ny tatitra nataon’ity mpikambana ao amin’ny Kongresy ity. Araka ny fanazavana dia handalo tsy ho ela ao amin’ity andrim-panjakana ity ny lalam-pifidianana ka tokony ho mailo ny rehetra, hoy ny CST Randrianjatovo Henri satria dia hivoaka ao avokoa ny fahotana mahafaty rehetra. Nohamafisin’i Zafilahy Stanislas fa “tsy hisy fifidianana eto raha tsy migadona an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana”. Tsy ekena koa, hoy izy ny tsy maty manota ka dia tsy maintsy hotsarina amin’izay nataony ny FAT. Nambarany tamin’izany ohatra fa “fanadiovam-bola no hanaovana ny trano mora” ka izany no tsy hahasahiana hilazana ny fihavian’ny vola hanaovana ireo foto-drafitrasa. “Hatsikafona daholo ireny ato ho ato, havoaka ny marina”, hoy izy.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT