Handray anjara amin’ny fifidianana rehetra ny antoko Hasin’i Madagasikara ary ny filohany Saraha Georget Rabeharisoa dia isan’ireo kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena araka ny tapaky ny mpizaika avy amin’ny lafy valon’ny Nosy nandritra ny kongresy voalohan’ity antoko ity natao teto Antananarivo ny sabotsy 19 janoary teo.
Mitazona ny tetiandrom-pifidianana nofaritan’ny CENI-T sy ny Pnud ary ny Vondrona Eropeana koa ny Maitso satria ny fananana filoha lanim-bahoaka no ahazoantsika ny fankatoavana iraisam-pirenena. Nilaza i Saraha Georget Rabearisoa fa raha amin’ny vanimpotoana ara-dalàna dia malalaka isika hanatontosa izay fifidianana mety amintsika fa tsy izay anefa ny zava-misy ankehitriny. Mihevitra koa ny Maitso fa ilaina ny fisian’ny fifanarahan’ny kandida filoham-pirenena rehetra momba ny fitsipi-dalao ara-demokratika na “accord électoral”. Ankoatra izay dia nambaran’ny filohany fa ireo antoko manolotra kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena no tokony hampanantsoin’ny CENI-T amin’ny resa-pifidianana fa tsy mihanona amin’ireo vondrona 10 mpanao sonia ny tondrozotra.
Nasian’ny Hasin’i Madagasikara teny koa ny famotsoran-keloka izay nilazany fa ilaina izany satria samy nanao ny tsy nety avokoa ny mpitondra teo aloha sy ankehitriny. Na izany aza dia takiany kosa ny mangaraharaha mialoha ny fanomezana izany. “Mila mifona mazava imasom-bahoaka ireo mangataka amnistia nefa mila fantatra aloha ny helony, ny sazy miandry azy”, araka ny fanazavan’i Saraha Georget Rabeharisoa hatrany. Marihina fa samy hipoka mpikambana Maitso avokoa na tao amin’ny hotely Carlton na teny amin’ny trano malalaky ny “Mon Goûter” Andrefanambohijanahary. Nanome voninahitra ny kongresy kosa ny filohan’ny Maitso aty Afrika.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.