Politique

Mpanao politika sy ny Tafika “Tokony hifona amin’ny vahoaka”, hoy ny Pro Ravalomanana


  • Talata 05 Febroary 2013

Mijoro ara-dalŕna ankehitriny ary nampahafantarina ny besinimaro omaly tamin’ny alalan’ny haino aman-jery tetsy amin’ny foiben-toeran’ny antoko Tiako i Madagasikara etsy Bel’Air, ny Pro-Ravalomanana izay ivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana samihafa nanohana sy nitaky hatrany ny fiverenan’ny ara-dalŕna sy ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana.

 Misokatra ho an’ny rehetra tsy ankanavaka mitovy tarigetra voalaza teo ity fivondronana ity. Manana tarigetra lehibe dia ny fitondrana ny tenin’ny vahoaka ny Pro-Ravalomanana, hoy Atoa Ranamison Rajaonah Hariliva, mpandrindra nasionaly. Ny hetahetany dia ny hiala haingana amin’ny krizy ka hifehy ny sosialy sy ny toekarena eo am-pelatanany. Tsy hisy fihavanam-pirenena izany raha tsy eo ny vahoaka, hoy ity tompon’andraikitra ity, ka mila mifona amin’ny vahoaka ireo mpanao politika sy ny tafika nandray anjara feno tamin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Ny fanirian’ny vahoaka moa dia ny hananany filoha hanana ny maha izy azy sy hahaleotena tanteraka mahalala tsara ny fahoriana mianjady aminy.

Raha ny tantara niainantsika Malagasy, hoy ny Pro-Ravalomanana dia fahaleovantena fampitoniana ny hetsi-bahoaka tamin’ny fanjanahantany fotsiny no nomen’ny Frantsay antsika fa izy dia mbola eo foana mandraka ankehitriny. Marihina, hoy Atoa Ranamison Rajaonah Hariliva, fa ny Pro-Ravalomanana dia tsy manana kandidà hatolotra ho filoham-pirenena fa ny tanjona aloha izao dia ny fampodiana an’i Dada an-tanindrazana faran’izay haingana.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT