Izaho aloha dia sahy miteny fa mendrika anareo ilay titra Tia Tanindrazana satria ninoninona faneriterena niseho dia sahy nampiseho ny fitiavan-tanindrazana hatrany ianareo, ary izay mihitsy no takiana amin’izao fotoana izao. Tsy soso-kevitra ny ahy fa mila tohanana ny gazety. Na eo aza ny halafon’ny akora dia aoka mba tsy hakarina ny vidiny fa izay no hilàna fanohanana ny gazety. Ankehitriny voizina hatrany ampitan-dranomasina any izany resaka “patriotisme” izany hatrany amin’ny resaka ara-toekarena, ka eo amin’izao andro sarotra izao dia aleo apetratsika fa tsy hanenenana ny fivoizana ity fitiavan-tanindrazana ity ary hatao filamatry ny taona 2013 mihitsy izy io.
Nangonin’i Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.