Ny zava-misy eto amin’ny firenena no mampisongadina ny gazety nataonareo na eo aza ny fiheveran’ny maro fa mirona any amin-dRavalomanana Marc manokana ianareo, na any amin’ny ankolafy natsangany, na aminay akaiky azy. Hita anefa fa be dia be ny vaovao avoakanareo. Ho ahy Rév. Satrobory manokana dia tsy mety ny fo sy ny saiko raha tsy mividy gazety Tia Tanindrazana aho isan’andro, satria manome hasina ny fanaovan-gazety ianareo. Misy tsy mahatanty izany ka nahateny mihitsy hoe : aleo hakatona io gazety io na vonoina mihitsy, nefa dia izy ao amin’ny fitondrana ihany no nisy nahatsapa fa tena mamoaka antsika io Tia Tanindrazana io. Izahay mpanao politika tsy manana gazety dia tsy maintsy mindrana anareo gazety itony hamoaka ny hevitray. Mirary soa.
Nangonin’i Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.