Anisan’ireo gazety manandratra avo ny maha asa masina ny fanaovan-gazety ny Tia Tanindrazana. Mamoaka hevitra tsy mitovy samihafa homban-tsary izy. Ny soso-kevitra omena dia tsy misy afa-tsy ny tokony hanohizanareo sy hitazonanareo ilay maha asa masina ny fanaovan-gazety. Ilay fahafahanareo manao azy mifototra amin’ny “déolontologie” . Voizo daholo ny hevitra tsy mitovy rehetra na ny havanana, na ny havia na ireo mihodinkodina. Beazo hanana kolontsaina manindraindra ny maha Malagasy sy ny soatoavina ao aminy ny mpamaky. Mampalahelo moa fa tsy mitovy ny fahazoan’ny any amin’ny faritra gazety mihoatra ny eto Antananarivo fa mba tokony hasian’ny Tia Tanindrazana ezaka manokana ny fanapariahana ny gazety . Tsy mampandroso raha mivangongo eto Antananarivo daholo ny gazety isan-karazany.
Nangonin’i Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.