Ny fisian’ny Tia Tanindrazana dia ankasitrahana satria izaho dia olon’ny adihevitra, olon’ny demokrasia. Na io hira ataoko io aza dia misy ny mankasitraka, misy ny mitsikera. Izaho koa dia manohitra ny kolontsain’ny fanindraindrana olona iray. Ka amin’ny ankapobeny dia tsy mizotra tsara ny fiainana raha tsy misy arofanina. Ka ho ahy dia mba amin’ny tena fitiavan-tanindrazana tokoa anie no ametrahan’ny Tia Tanindrazana izany amin’ny maha arofanina azy fa tsy hitanila.
Nangonin’i Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.