Herintaona sy volana vitsivitsy sisa dia higadona ny taona 2018. Serintseriny daholo indray ny ankamaroan’ny mpanao politika mitilitily seza rehetra aorian’ny fifidianana filoham-pirenena atsy ho atsy,
indrindra ireo mikasa hilatsaka hofidiana filoha amin’io fotoana io miezaka mampiseho fa tsy nanadino ny vahoaka ary dia mihirahira lalandava fa fanorenana avy any ifotony no ilaina. Asa raha tsaroantsika ihany koa ny zava-nisy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany tamin’ny 2013 fa nisy an’izany teny filamatra hoe “fokolona masi-mandidy” izany kanefa dia resaka federalisma izay teti-pitondrana amerikanina sy alemanina no nohirahirain’ilay kandidà, izany hoe, resaka faritany mizaka tena, izay mifanipaka tanteraka amin’ilay teny sy rafitra hoe fokonolona izay mifototra amin’ny fihavanana sy firaisankina.
Hanongam-panjakana
Ny sasany indray moa dia nilaza fotsiny izao fa tsy mahandry io 2018 io fa tsy maintsy hanongam-panjakana raha tsy mety hiresaka ny mpitondra satria misy fanovana ifotony tsy maintsy atao eto. Hatreto aloha dia izay no lasa fomba rehefa akaikikaiky fifidianana toy izao. Asa izay ho tohin’ny amin’ity na mba tena hametraka izay rafitra avy eny ifotony izay daholo tokoa izay ho lany eo na mbola hitsipaka am-bava-fo ilay madinika toy ny mahazatra indray rehefa mahazo seza.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.