Politique

Mpanao politika malagasy Mila beazina ihany koa


  • Alarobia 19 Desambra 2012

Vokatry ny krizy tamin’ny taona 2002 no nahatonga ny mpitondra tamin’izany nanangana ny fanabeazan’olom-pirenena vanona izay sampana iray ao amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena.

 Maro ireo olana nisy tamin’izany teo ny fanimbana ireo fananana iombonana izay tsy nisy nifandraisana tamin’ny krizy akory toy ny tetezana. Teo ihany koa ny fifandrafiana teo amin’ny samy Malagasy noho ny tsy fitovian-kevitra ara-politika. Mankalaza ny fahafolo taonany omaly, 18 desambra, ny Fanabeazan’olom-pirenena vanona ka maharitra efatr’andro ny hetsika mifandraika amin’izany ao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina.

Maro ny asa vita araka ny nambaran’Atoa Randrianandrasana Jean Baptiste, tompon’andraikitry ny Fanabeazan’olom-pirenena vanona taminny fanentanana ny ray aman-dreny sy ny olon-tsotra momba ny zon’olombelona sy ny zon’ny ankizy. Amin’ny 27-28-29 desambra izao indray ny andiany manaraka momba ilay fanabeazana olon-dehibe. Nomarihin’ity sampana ity fa mbola misy hatramin’izao fotoana izao avokoa ireo zava-nisy tamin’ny fotoana nananganana azy toy ny fifankahalana eo amin’ny samy Malagasy sy ilay fanimbana ny fananana iombonana. Ny politika hatrany no antony. Nilaza ry zareo noho izany fa mila beazina koa ny mpanao politika. Ny fanomezan-danja ny soa iombonana no vahaolana. Ny tsy fanilihana ny hafa fa mamela ny rehetra handray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena.


Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT