Lohahevitra nifampizaran’ireo antoko politika 44 nandray anjara tamin’ny atrikasa farany nokarakarain’ny Fandaharanasan’ny firenena mikambana ho amin’ny fampandrosoana ny 21 sy 22 febroary 2017 teo
ny fahaiza-mitarika miaraka amin’ny anjara birikin’ny antoko politika hisian’ny fitoniana sy ny demokrasia eto Madagasikara. Noresahan’ny mpanampahaizana avy amin’ny PNUD (Programme des Nations Unies pour le Développement) manokana tao ny mikasika ny antoko politika matanjaka izay tena ilaina amin’ny fampanjakana ny fifandimbiasam-pahefana, ny demokrasia ary ny fifidianana tsy manavaka. Sosokevitra novoizina taorian’izany ny fampihenana ny isan’ny antoko politika Malagasy ka hifanatonan’ireo mitovy firehana sy fomba fijery. Naneho hevitra mikasika azy io ireo mpanao politika vitsivitsy.
Yannick Ratsiraka (Arema) : «Tsy afaka ny hiaraka mihitsy ireo antoko nifandrafy teo amin’ny fitantanana ny fanjakana raha tsy tontosa ny fampihavanam-pirenena. Azo eritreretina ihany ny fifanatonana amin’ny alalan’ny ideolozia iombonana fa sarotra ny ankoatra izay».
Randriamahefa Charles (Adhem Fizafa) : «Tokony hiaraka tokoa ireo mitovy firehana sy fomba fijery saingy tsy mety mitambatra ireo lehibena antoko eto amintsika satria samy te ho mpitarika sy te hitondra firenena. Olana ihany koa ny tsy fisian’ny firaisankina fa samy maka ho azy eo amin’ny fanaovana politika. Tsy mahay maka lesona mihitsy rahateo ireo mpanao politika Malagasy».
Nangonin-dRamano F.
Sary fampihaingoana : Yannick Ratsiraka (Arema), Randriamahefa Charles (Adhem Fizafa)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.