Efa ela ihany ny nilazana fa andron’ny fihavanana izao. Efa fotsy rora ihany koa ireo mpitondra fivavahana niantso hihavana.
Samy milaza ireo mpanao politika fa maika io ary efa fotoanany izao. Ny zava-nisy anefa dia tsy nety tontosa ilay fampihavanana tena izy fa samy nihazohazo avokoa ny rehetra. Ny mpanohitra ny fitondrana nanangam-bovona hatrany teo aloha teo hoe ho aonganay raha tsy mifanaraka. Amin’izao fotoana izao indray dia nanjary tafatsangana ny antso sy dinika ho an’ny fanavotam-pirenena, izay tsy fantatra ny tena ao ambadiny. Hita aloha hatreto fa te hiantso fampihavanana kanefa dia tsy foy ihany koa ny tombontsoa manokana. Manitrikitrika ny mpitondra fanjakana mba hanao izay hifanarahana. Ny fitondram-panjakana amin’io mivoy foana any anatin’ireo dokambarotra momba ireo fihaonambe iraisampirenena hotontosaina eto amintsika ato ho ato ny hoe andeha asongadintsika ny firaisankina sy ny fihavanana. Fihavanana inona no tian’ny mpanao politika sy mpitondra resahana ? Ilay fihavanana ho an’ny tombontsoan’olom-bitsy ve sa ilay fihavanana maha izy azy ity firenena ity ?
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.