Lavitra ezaka ny asa raha ny tontolo politika sy ny mpanao politika eto amintsika no dinihina. Nahavalalanina ny maro ny nahita ireto mpanao politika sahy nivadika tamin’ireo teny nataony rehefa notambazana seza sy ... Tsy tambo isaina izy ireo fa santionany ihany no ndeha hotsiahivintsika.
Ireo nandrandrain’ireo vahoaka mitaky ny hiverenana amin’ny ara-dalàna sy ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana nanomboka teny amin’ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo, niara-niharitra taminy ny hafanana sy ny lakrimozena teny Ankorondrano, ka hatreny Behoririka, tsy lazaina intsony ny teny Anosy no indreo nahazo seza sy palitao vaovao ka nitsipa-doha laka-nitana ary nivadika tamin’ny teny nataony, volana maromaro lasa izay. Anisan’ireny i Alain Andriamiseza izay voatora-bato voalohany, raha nitarika ny hetsika teny Ambohijatovo ary nanizingizina tamin’izany fa “zéro ny FAT”. Ny ambasadaoro taloha tany Alzeria ary efa ministry ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy tamin’ny fitondrana Ravalomanana ary efa nosamborin’ny FAT ny zanany, Razafindralambo Vola Dieudonné.
Fa ireo tena nahatsikaiky dia ny solombavambahoaka teo aloha Fidison Manajary (Soanierana Ivongo), fantatry ny maro amin’ny hoe Rasomotra, izay tsaroana eto ny nambarany raha nanenjika ireo nialoha lalana azy hoe : “ho kely ila izay mivadika eo”. Ankoatra azy Rtoa Lalanirina Brigitte (Ikongo), izay efa anisan’ireo delegasion’ny Ankolafy Ravalomanana tany Maputo III tamin’ireny dinika famahana krizy ireny ary nihizingizina sy nivavavava tokoa an’io fitondrana mijoro io fa “tsy manjary” no indro voatendry ho mpikambana amin’ny kongresy ankehitriny. Mitarika azy ireo Raharinaivo Andrianatoandro. Santionany amin’ireo mpikambana 73 izay azo lazaina fa lohandohan’ny mpisorona tao amin’ny antoko nanohana ny filoha Ravalomanana, ny TIM ireo. Raha atao indray mijery dia tsy ny hevitra no ijoroan’ireo olona ireo satria androany zavatra hafa no lazaina, rahampitso kosa ny mifanohitra amin’iny nolazaina iny no tanterahina. Sa ve izay tokoa ilay hoe politika politisiana eto amintsika? Seza sy vola no laharam-pahamehana, manaraka ny hafa avy eo… Tsy mbola hivaha ny krizy raha izay, fa vao mainka aza hihamafy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.