Politique

Mpampianatra FRAM Tsy hampianatra raha tsy mivaly ny fitakiana


  • Alarobia 06 Oktobra 2010

Nitokona nanomboka omaly talata ireo mpampianatra FRAM 60 mianadahy avy amin’ny ZAP telo dia Antehiroka, Ivato ary Talatamaty mivondrona ao amin’ny bassin II, ao anatin’ny fari-piadidiam-pampianaran’Ambohidratrimo.

Tsy nisy nanaraka ny fiofanana tokony ho natrehiny tao amin’ny EPP Ambohibao izy ireo omaly fa namonjy teny amin’ny Tranompokonolona Isotry naneho ny tsy fahafaliany mikasika ny tsy fanajan’ny fitondrana FAT ny zony. Nambaran-dRazafiarisoa Hajaniaina, solontenan’ny mpampianatra tafaresaka taminay fa tsy tokony hanantena akory ny mety hisian’ny fampianarana eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra izay hanomboka ny alatsinainy ho avy io ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena raha toa ka tsy mivaly ny fangatahan’izy ireo. Lohalaharana amin’izany ny tokony hamoahana ny tambinkaraman’izy ireo tsy voaloa tao anatin’ny efa-bolana ankoatra ny fijerena ny antotan-taratasin’ireo mpampianatra FRAM izay tsy mbola mandray izany. Tafiditra ao anatin’ity fitakiana faharoa ity ny mikasika ny tokony hijerena ny hoavin’ny mpampianatra FRAM rehetra fa tsy hijanona amin’izao toerana misy azy izao mandrakizay.

Nifanindran-dalana tamin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny mpanabe izay nomarihina omaly ny hetsika. Nanambara moa izy ireo fa hitohy hatrany ny fitokonana mandra-pivalin’ny fitakiany. Ao anatin’izay anefa dia mampita hafatra amin’ny FAT sahady izy ireo ny amin’ny tsy tokony hisian’ny fandrahonana raha mitaky ny zon’izy ireo. Nanaitra ny FAT ihany koa izy ireo mba tsy handrava ny rafitra efa napetraky ny fitondrana teo aloha, indrindra raha mahasoa ny vahoaka. Marihina fa miombon-kevitra feno amin’ireto mpampianatra FRAM ireto ireo namany hafa manerana ny Nosy saingy noho ny halaviran-toerana dia tany amin’ny faritra nisy azy avy izy ireo no nanao hetsika. 

Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT