Politique

Mpampandany ny ENY Nisavorovoro izay nandalovany


  • Talata 02 Novambra 2010

Tao anaty lalana tsotra izao ireo mpanohana ny ENY no nanao propagandy ny sabotsy 30 oktobra teo tao Ambatondrazaka. Nitondra an’i Jean Aimé, mpanakanto anisan’ny ankafizin’ny any Alaotra rahateo ny Talen’ny fampielezan-kevitra, Ramandehamanana Richard, nentina nanangonana olona tamin’io fotoana io.

Nifanitsa-kitro tokoa ny olona, mandoa vola aza moa feno hipoka ny fampisehoan’i Jean Aimé, vao mainka moa ka bôjo. Tapaka tanteraka kosa ny lalana tao an-tampon-tanàna nandritra izany ary nifanaretsaka koa ny mpangarom-paosy izay niteraka fahasorenana ho an’ny olona. Araka ny fantatra dia nisakana ny hanaovana io propagandy tao anaty lalana io ny Kaominina, saingy toa tsy afa-nanoatra. Lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro teo aloha koa moa no talen’ny fampielezan-kevitry ny mpanohana ny ENY, ka nentin-kenamaso angamba. Fa tao Ambilobe dia romoromo koa no niafarany. Mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita vitsivitsy, isany Patrick Monibou sy Betiana Bruno no nitarika ny alahady teo.

Tsy nahavita namory olona ankalamanjana izy ireo, noho ny tahotra tsy hahazo olona angamba, ka dia natao tao anaty trano ny fanazavana ny volavolan-dalàmpanorenana sy ny fanentanana ny olona hifidy. Maninona izahay no terena hifidy ny zavatra tsy ankatoavinay, hoy ny mpanatrika. Tsy nampozin’ny ira-panjakana ny fanehoan-kevitra ka nisafoaka izy ireo. Rehefa izay dia nanamafy ny voalazany ny mpanatrika ka niteny f’angaha tsy mahazaka demokrasia indray ianareo ? Ingahy Betiana Bruno, araka ny loharanom-baovao, no niezaka nampitony ny rehetra dia noravana ny fihaonana. Ho an’ny teto Antananarivo sy ny manodidina moa dia nahasorena ny olona ny fihetsiky ny mpampandany ny ENY, manipy ireo taratasin’ny propagandiny any anaty fiaran’olona, eny am-baravaran’olona, izay toa an-tery ihany ny fanaovana azy rehefa tsy miraika ny olona. 

Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT