Politique

Morondava Anjakan’ny akamakama ny fanendrena Tale


  • Alatsinainy 09 Aogositra 2010


Miteraka resabe ao an-drenivohitry ny Faritra Menabe amin’izao fotoana izao ny fanendrena tomponandraikitra amin’ireny sampandraharaham-panjakana samihafa ireny ao an-toerana. Farany teo ny fanendrena, na tsy mbola tena ofisialy aza, ny Talem-paritry ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy. Araka ny fantatra mantsy dia mpiasam-panjakana amin’ny sokajy faha-4, izay “réalisateur adjoint”, no notendrena ho amin’izany toerana izany. Efa naseho ampahibemaso nandritra famaranana ny Dinika Santatra tao an-toerana ny zoma 30 jolay 2010 ity tale vaovao ity. Misy anefa mpiasam-panjakana amin’ny sokajy ambony noho izy, amin’ny sokajy faha-6, teknisianina ambony ny sasany ary “contrôleurs” ny hafa, ao koa ireo ao amin’ny sokajy faha-8, nivoaka tao amin’ny sekoly ambony fanofanana mpiasam-panjakana na ENAM, izay “inspecteur du travail”. Nodinganina tsotra izao izy ireo noho ny resaka akamakama. Izay tsy fanomezan-kasina sy fanajana ny zoky amin’ny andiany izay, no anisan’ny nampisavorovoro teto ary fototry ny krizy politika amin’izao fotoana izao, raha tsy hoe izay angaha no fiovana tian’ny teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey hatao, fa tsy takatry ny mpanara-drenirano. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT