Nanao rodobe tany Moramanga ny delegasion’ny FAT notarihin’i Andry Rajoelina ny 29 martsa 2010, nanamarika ny faha-63 taonan’ny tolom-panafahana 1947.
Nisy ny fampanantenana nataon’i Andry Rajoelina tany, singanina amin’ireny ny hanamboarana tranom-bakoka hirakitra ny tantaran’ny 1947. Tamin’izay no nilazany fa dia hovitaina mialoha ny 26 jona 2010 ary hotokanana mandritra io andro io, izay mifanandrify indrindra amin’ny faha-50 taonan’ny nitsingerenan’ny fahaleovantenam-pirenena, ny trano. Hatramin’ny omaly nakana ny sary fivoaran’ny asa tany an-toerana dia zara raha miainga ny rindrina. Raha tsy hoe «miracle». Tsy ho tratra mialoha ny faran’ity herinandro ity, izay higadonan’ny datin’ny 26 jona, ny asa fanamboarana. Efa nampoizin’ny any Mangoro ihany io.
Tsy vaovao amin’ny mponina any ny teny fampanantenan’ny FAT, saingy tsy tanterany. Nanomboka hatrany amin’ny fampanantenana vary 500Ar ny kilao, ny menaka 2000Ar ny litatra, ny fampihenana ny saran-dalana amin’ireo zotra nasionaly, ny fampanantenana vola homena ny Kaominina toy ny tao Toamasina, araka ny nambaran’i Andry Rajoelina ny 09 jona 2009 fa tsy tanterany ary nivadika aza ka niafara tamin’ny fanesorana tamin’ny toerany ny Ben’ny tanàna am-perinasa. Nampanantena koa i Andry Rajoelina raha nitarika olona teny an-dalambe fa hamidy ny «Force One II» hividianana vary ho an’ny Malagasy, fa tsy tanterany izany … Koa raha tsy vita araka ny nampanantenaina ny Tranom-bakoka ao Moramanga ankehitriny tsy atao mahagaga ny amin’io. Toy ny nilazan’i Andry Rajoelina tamin’ny desambra 2009 fa hanana filoham-pirenena vaovao ny Malagasy mialoha ny 26 jona 2010, hitarika ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny niverenan’ny fahaleovantem-pirenena. Mety ho vokatr’izay fahadisoam-panantenana izay koa no nampalaina ny Malagasy maro hanangan-tsaina, satria mahatsiaro voafitaka izy. Fa tsy mahafaly ny ankamaroan’ny mponin’i Mangoro sy ny Malagasy amin’ny ankapobeny koa ny fikasana hametraka marika «V» eo amin’ny vovon’ny trano hamboarina, izay toa midika finiavana hamantsika ilay fotodrafitrasa amin’ny anaran’ny TGV.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.