Politique

Moramanga Savoritaka no niafaran’ny Dinika Santatra


  • Alatsinainy 02 Aogositra 2010


Vao nanomboka dia efa raikitra ny ady an-trano teo amin’ny samy Raiamandreny Mijoro tao an-toerana, miady an-toerana. Nifanjevoana koa ny resa-bola, nenti-nanana ny Dinika Santatra. Tsy nisy intsony izay fifanajana, fa hatramina manamboninahitra nifandramatra noho io resa-bola io. Araka ny fantatra mantsy dia natao hiantohana sakafo antoandro ho an’ny mpizaika ny tetibola teo am-pelatanana. Nezahin’ny mpandrindra naravondravona teny ihany ny olana nahafahana nanohy ny dinika. Niverina indray anefa ny olana rehefa mby teo amin’ny famaranana, ary dia savoritaka no niafarany tao amin’ny hotely “Emeraude” nampiantrano ny Dinika Santatra. Ny Faritra Alaotra Mangoro, izay tonga tao Moramanga mihitsy ny lehibeny, Ramandehamanana Richard, no nanome vola 4.000Ar isan’olona ho fandraisana anjara nandritra ny roa andro sy tapany nivoriana. Ireo mpizaika avy lavitra, fito izy ireo, avy any Mandialaza, Lakato, ary Antaniditra, kosa samy notolorana solona saran-dalana 10.000Ar isan’olona. Hisorohana ny tsy hiverenan’io olona io, dia nanome toky ny lehiben’ny Faritra fa hanampy amin’ny saran-dalan’ireo solontena 10 avy ao Moramanga, hiatrika ny dinika nasionaly, heverina hotanterahina afaka iray volana eo.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT