Hatairana ny an’ny mponina tao Moramanga renivohitr’i Mangoro omaly alakamisy 05 aogositra raha nandre fa nosamborina ny alin’ny alarobia ary nadoboka am-ponja ny Ben’ny tanŕna, Solofo Ezéchiel.
Mifamahofaho be ihany ny vaovao manodidina ny antony, ary sarotra koa ny nanamarina ny vaovao tany an-toerana. Ny hany fantatra dia mitsiriritra fatratra ny toerany ny TGV ao Moramanga taorian’ny nisian’ny fanonganam-panjakana teto ny 17 martsa 2009. Olona voafidim-bahoaka anefa ingahy Ben’ny tanàna koa sarotra ihany ny hanala azy tsy amin’antony mazava arahina porofo matanjaka. Nifanesy ary ny fanadihadiana natao mahakasika ny fitantanana, indrindra ny ara-bola, natao teo anivon’ny kaominina Moramanga iadidiany. Narahina fanerena ankolaka azy hiditra ho mpikambana TGV mba hampilamina ny raharaha. Tsy nampiova ny safidiny anefa izay, fa dia nijoro hatrany tamin’izay naha masaka ara-potokevitra azy ingahy Solofo Ezéchiel. Rehefa izay dia nandeha ny antsojay samihafa, sy ny tebaka ampahibemaso ataon’ny mpitondra FAT sy ministra toy ny nahazo azy nandritra ny fanamarihana ny 29 martsa lasa teo.
Araka ny fantatra dia nisy fitoriana dimy nitaty an’i Solofo Ezéchiel, ary toa ny iray tamin’ireo no nitarika izao fampidirana am-poja azy izao. Tsy izy irery fa nisy Ben’ny tanàna Tiako I Madagasikara roa hafa ihany koa tratr’ity fisamborana sy famonjana ity. Tato anatin’ny herinandro avokoa izany. Nahazo fahafahana vonjimaika ny iray, voatazona miaraka amin’ny sekretera mpitahiry vola kosa ny faharoa. Araka ny fantatra anefa dia tsy hijanona eo ny fitsongolohana ny fitantanan’ireo Ben’ny tanàna TIM amin’iny Mangoro iny, hahafahana mametraka delegasiona manokana na PDS, toy ny nataon’ny FAT tao Toamasina I sy Manakara. Mbola hitohy !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.