Nandritra ny fihaonambe faha-13 an’ny Vondron’ny tany mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay na Frankofonia no nitrangan’ity tantara ity, ny sabotsy23 oktobra teo.
Nasaina nivoaka ny trano fivoriana i Madagasikara. Hentitra ny kabary fanokafana nataon’ny filohan’ny kaonfederasiona soisa, Rtoa Doris Leuthard, teo anatrehan’ireo filoham-pirenena miisa 38 nilaza fa tsy miaraka ny frankofonia sy ny fanonganam-panjakana. Mazava ny resaka fa tsy manana toerana ao anatin’ity vondrona ity ny mpanongam-panjakana. Voateny manokana tamin’izany rahateo ny tranga teto Madagasikara. Nanaovan’ny fahitalavitra soisa TSR (Télévision Suisse Romande) fanadihadiana manokana mihitsy moa i Madagasikara. Mety ho efa nahalala mialoha ny zavatra hitranga angamba ny mpanao gazety tao ka dia nanaraka akaiky ny dian’ny ambasadaoro Malagasy miasa any soisa, Rajemison Rakotomaharo. Niray fiara tamin’ity farany mihitsy ny mpanao gazetin’io fahitalavitra io, nihazo ny toeram-pivoriana, nanaraka isaky ny minitra ny fivoaran’ny raharaha. Nanontanian’ny mpanao gazety izy raha nahazo fanasana ofisialy amin’ity andiany faha-13 ity i Madagasikara. Namaly Rajemison fa ny fanokafana ny fivoriana no fantany fa ho hita eo ny tohiny. Niezaka niaro izay teniny izay izy teo am-pidirana raha tafaresaka tamin’ny ministra soisa misahana ny raharaham-bahiny. Ny zava-nisy anefa dia nivelatra ny karipetra mena natokana ho an’ny nasaina, fa tsy azony nitsahina.
Ny tao anaty efitrano koa tamin’io dia efa nihohoka ny anaran’i Madagasikara, izay fambara fa sady tsy voaasa no tsy misy toerana ho an’ny solontena Malagasy ao. Azo antoka fa tsy tafatombina ny ambasadaoro nandritra izany. Vao mainka moa tratry ny kabary tsy valiana nataon-dRtoa filoha soisa tamin’ny fanokafana, miantefa amin’ny tany nisiana fanonganam-panjakana, milaza fa tsy misy toerana ho azy ireny eo anivon’ny Frankofonia. Ary ny loza dia ny nitenenana imasom-bahoaka an’i Madagasikara mba hivoaka ny efitrano fivoriana. In-droa miantoana, 2009 sy 2010, tany New York mba tao anaty trano ihany fa tsy nahazo fitenenana, fa ity dia nasaina nivoaka mihitsy. Ny teny Malagasy mahalaza ny tranga toy ity dia ny hoe : afa-baraka tsy roa aman-tany. Tsy vitan’ny notaterin’ny fahitalavitra TSR io vaovao io fa mbola naelin’ny fahitalavitra iraisam-pirenena, sady fampiasan’ny Frankofonia rahateo, dia ny TV5 izany, ka hitan’izao tontolo izao.
Ny fanontaniana mipetraka eto dia hoe : nirahina mba ho any Montreux tokoa ve ny ambasadaoro Rajemison Rakotomaharo ? Raha ny feo nandeha teto an-toerana mantsy dia tsy hanana solontena tamin’ity fihaonambe ity ny FAT. Na dia nanao tatitra tetsy sy teroa aza ary miezaka manafina ny marina rehetra teto aza ny ekipan’ny FAT, indrindra ny ministry ny raharaham-bahiny ankehitriny, ny amiraly Ramaroson Hippolyte izay milaza ombieny fa nametra-pialana ny filoha Marc Ravalomanana dia miharihary eo anatrehan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ary nanamafy izany ity fihaonambe faha-13-n’ny Frankofonia tao Montreux ity fa fanonganam-panjakana no nisy teto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.