Politique

Monja Roindefo “Tsy maintsy mihaona amin’ny vahoakan’Iarivo aho”


  • Alakamisy 11 Novambra 2010


Tsy azo ahemora intsony ny fotoanako amin’ny vahoakan’Antananarivo amin’ny sabotsy 13 novambra ho avy izao satria efa nifanekena ary izaho tsy mba mivdi-dela izany. Izay no nambaran’i Monja Roindefo omaly raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety izy manolona ny tsy fahafahany mamory olona ao amin’ny kianjan’i Malacam , araka ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny tanànan’Antananrivo ny ny prefektiora. Mahagaga ihany ny zavatra miseho hoy ity praiminisitra teo aloha ity, satria tamin’ny fotoana nanateranay ny taratasy fangatahana dia tsy nisy nampiasa izany amin’io sabotsy 13 novambra io ny kianja, fa anefa andro maromaro aty aoriana vao lazaina fa misy efa namandrika mialoha. Nanamafy moa i Monja Roindefo fa tsy mahazaka ny isan’ny olona manara-dia azy kianjan’Analamaitso eny Analamahitsy izay natolotry ny kaominin’Antananarivo renivohitra azy koa dia tsy afaka nyhanaikyizany velively ny tenany.

Tsy maintsy mihaona sy miresaka mivantana amin’ny vahoakan’Antananarivo aho amin’ny sabotsy ho avy izao hoy I Monja Roindefo ka hanambara ny zava-misy marina eto amin’ny firenena sy ny tsy fetezan-javatra maro amin’ny fitantanana ny tetezamita.”Fanavotana tena izy” moa no teny filamatra entin’itypariminsitra teo aloha ity mitety faritra, ary efa nanatonta afisy miloko miraitraizany izy sy ireo mpiara-miasa aminy. Fa mikasika ity praiminisitra teo aloha ity ihany dia fantatra araka ny resaka nivoaka teny Ivato fa manamboninahitra kolonely 2 sy komanda 1 efa diso fantatry nyolona loatra niaraka tamina andianamiaramila no nitsena azy teny Ivato ny talata lasa teo tamin’ny fiverenana avy any Fianarantsoa. Izy moa dia efa hatry ny ela no tsy niafina mihitsy ary nilaza ampahibemaso fa mifandray sy mihoana ary miresaka matetika amina miaramila sy manamboninahitra mba hikarohana vahaolana ivoahana amin’ny krizy.

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT