Politique

Monja Roindefo Tsy fifidianana no hatao eto fa fampandaniana ny ENY


  • Alatsinainy 11 Oktobra 2010

Naneho ny heviny tao amina fahitalavitra tsy miankina iray, momba ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana Atoa Monja Roindefo, filoha nasionalin’ny antoko Monima ny zoma alina teo.

Tsy nitsitsy fitenenana ity praiministra voalohan’ny tetezamita ity ary sahy nilaza mihitsy fa ratsy ny fitondrana amin’izao fotoana, satria sady manararao-pahefana, no mamitaka no misy mangalatra ihany koa. Amin’i Monja Roindefo dia tahaka ny tsy misy izany hoe fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 17 novambra sy ny fifidianana Ben’ny tanàna amin’ny 20 desambra izany. Tsy matotra ny fomba fiasa nanaovana ny fihaonambem-pirenena, hoy izy ka tsy mahagaga raha zavatra tandrametaka sy tsy maharesy lahatra ny besinimaro no nivoaka avy tao. Aminy dia ilaina ny dinika politika vaovao eo ambany fitarihan’ny CNOSC sy izay vonona ny hanao izany, ary aorian’izay dia manatanteraka fihaonambem-pirenena tena izy amin’izay. Nisintona ny sain’ny rehetra i Monja Roindefo fa tsy fifidianana mihitsy no hatao amin’ny 17 novambra, ary tsy misy safidy izany amin’io fa dia fampandaniana ny ENY fotsiny no tanjoana. Fampandriana andrisa no atao amin’ny vahoaka, hoy izy fa efa manana voka-pifidianana ny mpitondra. Mikasika ny mety ho fiverenana an-tanindrazan’ireo filoha mirahalahy kosa dia somary nioalanolana ihany ny valin-tenin’ity praiministra teo aloha ity, fa ny hany ambarany fotsiny dia tsy olana aminy ny mifaninana amin’izay rehetra sahy hilatsaka hofidiana filoham-pirenena. Ny namintinany azy moa dia ny hoe : «tsy matahotra an-dRavalomanana mihitsy aho, fa ny fanontaniana tokony hipetraka aza dia ny hoe : sahy hifaninana amiko ve Ravalomanana ?».

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT