Politique

Monja Roindefo “Tsy ara-dalŕna ny famonjana an-dRamarovahiny”


  • Alatsinainy 14 Jona 2010

Namangy an-dRamarovahiny Nicole, ilay mpikaroka malagasy nilaza ho nahita ny fanafodin’ny Sida izay nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora i Monja Roindefo ny sabotsy atoandro teo.

Nandritra izany no nanambarany fa tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny ny famonjana ity mpikaroka ity. «Tena zavatra mahagaga satria olona mitondra fitsaboana ve dia ampidirina am-ponja», hoy izy. Ankoatra izay dia nambarany fa tsy feno ireo fepetra ahafahana mandefa an-dRamarovahiny any am-ponja. “Tsy voangona akory ireo antony telo takiana amin’ny famonjana dia ny antony ara-moraly, ny antony ambaran’ny lalàna ary ny antony ara-materialy. Ankoatra izay dia tsy tratra ambodiomby tamin’ny asa ratsy na ahiana hanakorontana firenena na mpamono olona na mpanolana izy ka aiditra am-ponja”, hoy ihany ity praiminisitry ny FAT teo aloha ity. Eo anatrehan’ity raharaha ity dia hihaona amin’ny Fitsarana ny tenany hangataka fanazavana. Nambarany fa mbola hisy koa fotoana hitsidihany ireo mpanao gazety voafonja. Raha tsiahivina dia noho ny fifanolanana teo amin’i Zaranaina izay efa nanambara ihany koa fa manana ny fanafody manasitrana ny Sida no antony nampigadra an-dRamarovahiny Nicole Jean. Voapanga ho nangalatra ny tsiambaratelon’i Zaranaina ity farany ka nanamboatra ny fanafodiny avy amin’izany. Efa niara-niasa tamin’i Zaranaina taloha koa moa izy. 

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT