Anisan’ireo antoko tsy mandray anjara amin’ny fihaonambem-pirenena eny Ivato ny Monima tarihan’i Monja Roindefo, izay praiministra voalohan’izao tetezamita FAT izao, notendrena teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, ary nailika moramora, taorian’ny satan’i Maputo avy eo.
Araka ny nambaran’i Monja Roindefo dia karazana fanapena-maso ny vahoaka fotsiny ity fihaonana eny Ivato ity, ary mbola mibaribary fa hevitry ny ankolafy tokana ilay izy, izany hoe hevitry ny ankolafy Rajoelina sy ireo antoko na fikambanana politika mitovy fomba fijery aminy. Tsy hita taratra mihitsy ny firaisam-pirenena fa dia dinidiniky ny mpianakavy no eny Ivato, araka ny filazany. Manaraka izany dia maro ny zavatra azo kianina sy mampiseho ny tsy fahamatoran’ny fikarakarana, araka ny fahitan’i Monja Roindefo azy ihany, dia eo aloha ny fisafidianana ireo olona avy any amin’ny distrika sy ny faritra hiakatra eto Antananarivo.
Tamin’ny fomba malalaka sy ara-demokratika ary nandresy lahatra ny rehetra tany amin’ny faritra niaviany marina ve no nisafidianana azy ireny ? Nahoana no nitombo avo roa heny tamin’ny isa efa napetraka ny olona tonga teny Ivato, ary nahoana no nanaiky izany ny mpikarakara, na dia efa fantatr’izy ireo aza fa tsy maintsy hampikorontana ny fivoriana izany ? Nohamafisin’i Monja Roindefo fa tsy tsenabe izany fihaonambem-pirenena izany, ka hisavorovoro sy hampiaka-peo hiady varotra fotsiny izay olona rehetra te hiditra ao. Tsy ny isa no zava-dehibe araka ny nambarany fa ny fisian’ny solontenan’ny ankolafy sy ny firehana rehetra eto amin’ny firenena. Miahiahy moa ity praiministra teo aloha ity fa mety tsy azon’ireo olona mikarakara sy manatrika ny dinika eny Ivato akory ilay hoe fihaonambem-pirenena. Noraisiny ho ohatra moa ny hoe manana mpikambana 500 000 ny antoko Monina, ka afaka tsara manao fivoriambe, hanasana mpizaika hatramin’ny 10 000. Dia hanaiky ve ny rehetra fa fihaonambem-pirenena izany ?
Betsaka tokoa ny isa, saingy olona mitovy firehana politika daholo ireo. Noho izany dia tsy mbola fihaonambem-pirenena tena izy ity tanterahana eny Ivato ity araka ny fahitan’i Monja Roindefo sy ny antoko Monima azy, ary tsy hamaha ny krizy velively ny hevitra hivoaka avy ao. Amin’izy ireo dia ny fihaonambem-pirenena, izay hokarakarain’ny CNOSC, izay handraisan’ny ankolafy rehetra anjara, ihany no tena izy, satria maharesy lahatra ny rehetra eto an-toerana no sady azo antoka fa ankasitrahan’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan’ireo manitrikitrika mantsy i Monja Roindefo fa tsy afa-misaraka tampoka amin’ny avy any ivelany izany isika na dia manana ny fiandrianam-pirenena aza. Efa nampoizina ihany moa ny zavatra tahaka izao, araka ny fahitan’ny mpanara-baovao politika azy, satria tohin’ny fanapahan-kevitr’ankolafy tokana efa niainga tany amin’ny teny ifampierana sy ny dinika santatra ihany ity tohizana amin’ny alalan’ny fihaonambem-pirenena ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.