Namaly ny antson’i Monja Roindefo sy ireo rehetra manohitra ny fitondrana tetezamita amin’izao fotoana ny vahoakan’i Toliara ary dia feno hipoka ny kianjan’Andaboly omaly tolakandro.
Tamin’ny 12 ora sy sasany no nigadona teny an-toerana ny fiaramanidina manokana nitondra an’i Monja Roindefo, efa niandry azy ny olona maro be ary dia nilahatra nitomandavana ny bisikilety sy ny moto ary ny fiarakodia. Ora iray sy sasany no naharetan’ny dia, niainga teo amin’ny seranam-piaramanidina ka hatrany amin’ny kianjan’Andaboly. Nandritra ny lahateniny no nanamafisan’ity praiministra teo aloha ity fa tsy araka ny fanovana nifanarahana teny amin’ny kianjan’ny 13 mey mihitsy no mitranga amin’izao fotoana, ary tena fampahoriana ny vahoaka tsotra izao no ataon’ny FAT izay tarihan’i Andry Rajoelina. Tsy hivadika amin’ny teny nifanomezana ny tenako, hoy i Monja Roindefo ary hijoro haramin’ny farany hanohy ny tolona. Mikasika ny amin’ny 17 novambra kosa, dia nambarany fa tahaka ny tsy misy io fifidianana io ary tsy misy azo antenaina aminy.
Tsy izany mihitsy no vahaolana amin’ny krizy, hoy i Monja Roindefo fa mila fampihavanam-pirenena tena izy aloha ny malagasy ary fihaonambem-pirenena matotra sy mazava tsara no atao fa tsy tsena be tahaka ireny nitranga teny Ivato ireny. Ho fanatanterahana ny zavatra nosoniavina tany Maputo amin’ny fametrahana ny tetezamita iaraha-mitantana sy hampitony ny disadisa politika ary hamahana amin’izay ny krizy no antony nanekeko ny fanesorana ahy, hoy i Monja Roindefo. Tsy nisy mihitsy anefa ny fiovana fa dia niha ratsy ny toe-draharaha ary tsy nahavita namaha ny olana ny FAT, ny fandrobana ny harem-pirenena indray aza no nataon’ireo mpitondra, hoy ihany izy. Ny sabotsy teo moa dia efa tao Fianarantsoa ity praministra teo aloha ity ary namaky bantsilana ny fanondranana an-tsokosoko ny bois de rose izay mahavoatonona anarana olona ambony sivily sy miaramila maro. Nambarany ihany koa fa maro be ny fandikan-dalàna amin’ny famoahana sy fampiasana ny volam-panjakana amin’izao fotoana. Ny sabotsy 13 novambra ho avy izao moa dia hihaona amin’ny vahoakan’Antananarivo indray i Monja Roindefo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.