«Ampy izay, mila mandray andraikitra ny vahoaka !». Niverimberina tamin’ny kabarin’i Monja Roindefo io ny sabotsy 16 oktobra teo, raha namory olona tao amin’ny Banja Toalaza Mahajanga izy.
Nolevilevesin’ity filoha nasionalin’ny antoko MONIMA ity ny mpitondra ny Fahefana Avon’ny Tetezamita nandritra ny lahateniny, naharitra 30 minitra teo tamin’io fotoana io. Liana ary nanongilan-tsofina ny olona, izay tonga maro nameno ny Banja Toalaza. Naveriny indray fa izy no notondroina ho sakana tsy nahazoana vola 500 tapitrisa dolara avy amin’ny mpamatsy vola, toy izany koa ny AGOA ary nolazaina fa ny fisiany eo amin’ny toeran’ny praiministra no fototry ny tsy fitoniana politika teto Madagasikara. Nanaiky hiala aho, hoy izy, kanefa inona no zava-mitranga ankehitriny ? I Monja Roindefo ihany no namaly tamin’ny teny hentitra fa “tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena, fiarovana tombontsoan’olon-tokana no misy eto. Mitohy ny fandripahana “bois de rose”. Nivaona amin’izay zavatra nifanarahana teny amin’ny Kianjan’i 13 mey i Andry Rajoelina”. Nokianiny koa ireo fampanantenana ataon’ity farany hanamboatra kianja sentetika tamin’ny faritra izay nalehany. Izany ve no laharampahamehana, hoy i Monja Roindefo, sa ny fanamboarana tohodrano hanondrahana tanimbarin’ny tantsaha ? Misy ny fotoana ahanginana ary misy ny fotoana hitenenana, hoy ity praiministra voalohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ity, ka “tonga izao ny fotoana hitenenana sy handraisana andraikitra”. Nambarany fa dia hitety faritra izy hanazava amin’ny vahoaka Malagasy ny zava-misy marina eto amin’ny firenena. Feno hipoka ny Banja Toalaza tamin’io fotoana io. Nanafana ny fotoana rahateo ireo mpanakanto malaza dia i Firmin sy Lianah tamin’io fotoana io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.