Politique

Monja Roindefo Manainga ny Tafika ho tonga saina


  • Alatsinainy 15 Novambra 2010

Malacam, Boulevard de l’Europe, Andohatapenaka, tsy raikitra ny famoriam-bahoaka saika hotontosainy ny sabotsy lasa teo.

Ny harivan’iny ihany dia efa namory mpanao gazety i Monja Roindefo mba hanazavany ny fomba fijeriny ny fitondrana ankehitirny, tetsy amin’ny fonenany tetsy Antsakaviro. «Tratry ny sakantsakana aho, izay no tsy naharaikitra ny famoriam-bahoaka. Na ny artista saika hanafana aza dia niharan’ny fandrahonana maro samihafa» raha araka ny nambarany. Nokianiny ihany koa ny Radio Viva izay nolazainy fa toy ny ‘radio des milles collines’ any Rwanda. Notanisainy teo ny tsy fandehan’ny raharaham-panjakana araka ny tokony ho izy izay porofoin’ny fitokanana maro isan-karazany toy ny an’ny mpianatra eny amin’ny oniversite sy ny mpitsabo ihany koa. Farany dia nanainga ny Tafika i Monja Roindefo mba ho tonga saina sy hobaikon’ny fitiava-tanindrazana mba hahafahana miala amin’ity fitondrana «jiolahimboto», araka ny filazany. «Rehefa tsy handray andraikitra ianareo dia manana ny rariny izay olona handray andraikitra eo”, hoy izy mamarana ny fanehoan-keviny. 

r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT