Mbola mitaky hatrany ny hanatanterahana ny fihaonambem-pirenena i Monja Roindefo, ao anatin’ny fikarohana vahaolana ivoahana amin’ny krizy. Nambarany fa tsy mety raha antoko iray no mitantana ny firenena sy manjakazaka.
Ilaina ny fiaraha-miasa sy ny fifanomezan-tanana amin’ny fitantanana ny firenena, araka ny heviny. Izy moa dia anisan’ireo namaly ny antson’ny CCC na komity fakan-kevitra momba ny lalàmpanorenana, ka nanome ny soso-keviny. Fandraisana andraikitra izany araka ny filazany ary fijoroana amin’ny fanavotana ny firenena. Rehefa misy ny fiantsoana hiresaka na hifampidinika, dia tokony hanaja ka mamaly izany ireo nasaina araka ny hevitr’i Monja Roindefo. Na izany aza, tokony hazava tsara ny resaka, hoy izy. Homena an’iza ireny soso-kevitra ireny ? Hatao inona avy eo ? Ahoana no handravonana azy ? Tsy mety ary tsy azo ekena kosa, hoy ity praiminisitry ny FAT teo aloha ity raha sinema fotsiny izao atao izao, fa efa misy lalàmpanorenana vonona sy miandry fotsiny any ambadimbadika any. Mody milaza ny efa naka ny hevitry ny rehetra fotsiny ny fitondrana tetezamita rehefa avy eo. Tsy mety ny mifamitaka, hoy i Monja Roindefo, ka hoe «saka no nandrasana, kanefa bitro tampoka no nipoitra avy any». Izany rehetra izany no mahatonga anay manizingizina ny tsy maintsy hanatanterahana ny fihaonambem-pirenena, amin’izay afaka milaza ny heviny ao ny rehetra, avy amin’ny faritra rehetra sy ny antoko politika rehetra ary ireo fikambanana ara-tsosialy sy ara-toekarena tsy an-kanavaka, eny fa na dia ny antokom-pinoana aza, araka ny filazan’i Monja Roindefo ihany izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.