Politique

Mompera Pedro Am-paosin-dRajoelina tanteraka


  • Alarobia 12 Desambra 2012

Nahazo toerana mihaja taorian’ny filohan’ny tetezamita sy Rtoa vadiny ny Mompera Pedro omaly nandritra ny lanonana fitokanana ny “Coliseum de Madagascar” teny Antsonjombe sy ny fankalazana ny faha-2 taonan’ny Repoblika faha-4.

 Somary niova moa ny harofenitra io omaly io, satria dia ireo artista no nipetraka nanodidina ny filohan’ny tetezamita fa somary napetraka tany aoriana kosa ny manampahefana. Anisan’ny mpanakanto tazana teo nanodidina an’i Andry Rajoelina ohatra i Wawa, Lôla, Henri Ratsimbazafy, Iary, Mamy Gotso. Ka avy hatrany dia hita niavaka ny Mompera Pedro, izay sady tsy mpanakanto no tsy manampahefana. Azo lazaina anefa fa tsy dia mahagaga ihany ny nahazoany toerana teo akaikin’i Andry Rajoelina satria anisan’ireo tena nahazo fanampiana lehibe tamin’izy mivady ny Akamasoa, tarihan’ity mompera ity. Nisy koa ny fotoana dia tena niresaka politika mihitsy ny Mompera Pedro ka nanakiana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

Mazava izany ny resaka eto fa dia anisan’ireo olona tena mahazo avara-patana amin’i Andry Rajoelina ny Mompera Pedro ary mety efa anisan’ireo mpanolotsaina azy mihitsy aza ka na inona na inona angatahany dia ho azony, ary na inona na inona koa ampanaovin’ny filohan’ny tetezamita azy, dia hataony satria araka ny fomba fiteny dia efa ao am-paosin-dRajoelina tanteraka i Pedro e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT