MMM sy VPM

MMM Hisara-bazana ihany koa ?


  • Alakamisy 10 Novambra 2016

Manoloana ny fanambarana nataon’ny avy eo anivon’ny antoko Malagasy Miara Miainga nilaza fa misandoka andraikitra ny avy eo anivon’ny vondrona miara-dia amin’ity antoko politika ity

 

, izany hoe, ny VPM / MMM dia namaly tamin’ny alalan’ny antso an-tariby ny depiote Philobert Milavonjy fa ny VPM /MMM no talohan’ny antoko MMM. Rehefa tsy lany ho filohan’ny vondrona ny filohan’ny MMM amin’izao, Hajo Andrianainarivelo vao nanangana io antoko io, hoy izy. Ny vondrona no manana depiote 15 ao anatin’ny antenimieram-pirenena fa tsy ny antoko MMM. Ny tenako manokana dia tamin’ny anaran’ny antoko AVI no nidirako tao amin’ny VPM /MMM fa tsy tamin’ny alalan’ny MMM ary mbola AVI izahay hatreto. Ny MMM kosa tsy manana solombavambahoaka. Ny filohan’ny AVI Norbert Lala Ratsirahonana no tokony hibaiko ahy fa tsy Hajo. Resaka fifandroritana tahaka izao ihany koa no nanomboka nisian’ny Mapar I sy II. Olana hitondra mankaiza indray ny an’ireto ankolafy roa ireto ? Tsy mbola miatrika fifidiana akory ve dia efa miady tahaka izao ?


Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT