Politique

Mivantambantana Raharinaivo Andrianatoandro - Governemanta «Na nantsoina aza aho, dia tsy niditra”


  • Alakamisy 27 Mey 2010

Raharinaivo Andrianatoandro indray no vahinintsika ato anatin’ny Mivantambatana amin’ity alakamisy ity. Izy moa dia mpikambana eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana no sady mpitondra tenin’ny antoko TIM.

Solombavambahoaka voafidy teny Ambohidratrimo izy ary anisan’ireo mbola manan-draharaha amin’ny fitsarana amin’izao fotoana. In-droa izy no efa notanana am-ponja vonjimaika ary mbola ankamantatra ny hoavy politikany noho ireo fanenjehana azy. Nilaza ny fahitany ny raharaham-pirenena tato anatin’ny herinandro izy, sy ny eritreriny amin’ ny vahaolana mahomby indrindra amin’ny krizy. Tafatafa mivantana.! 

Tia Tanindrazana (TT) : Miarahaba anao tompoko, mbola mitana ny sain’ny rehetra ny raharaha FIGN. Amin’ny maha mpanao politika anao, ahoana ny fahitanao ireny tranga ireny ?
Raharinaivo Andrianatoandro (RA) : Amin’ny fandinihako azy lalina dia sinema ireny satria maro loatra ireo zavatra tsy mazava. Azo nosamborina tsara anie ireo zandary nioko sy ny lehibeny raha ny hamaroan’ny mpanafika sy ny fitaovam-piadiana nampiasaina no jerena e ! Koa nahoana izy ireo no mbola tafavoaka ny lakazerina ? Amiko dia navela nitsoaka mihitsy izy ireo, dia mody nenjehana sy nosamborina avy eo.
 
TT : Tafiditra lalina tamin’iny resaka iny ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ary tena voa mafy mihitsy, misy ny namoy aina, ao ny voatana am-ponja, misy mbola karohina; nisy ireo nilaza fa tratry ny velam-pandrika izy ireo. Ahoana ny fahitanao izay ?
RR : Sady voafitaka no namita-tena ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF). Samy tsy faly amin’i Andry Rajoelina ny FIGN sy ny HMF, saingy tsy mitovy ny antony ary samihafa ny tanjona. Ny FIGN dia mitaky ny tena marina tamin’ilay resa-bola 500 tapitrisa ariary ; ny HMF kosa dia mitaky mihitsy ny fialan’i Andry Rajoelina. Izaho manokana aloha dia tena miondrika sy malahelo tamin’ireo namoy ny ainy sy naratra ary naiditra am-ponja e ! Hitako ho tsy mety ihany koa ny nanakatonana ny radio Fahazavana, satria miendrika fihantsiana ady amin’ny mpino Protestanta mihitsy izany.
 
TT : Avadika ny resaka, nijoro ny alatsinainy lasa teo ny governemanta vaovao. Hahavita hiasa araka ny tokony ho izy ve ?
RR : Tsia ! Io ilay antsoin’ny tanora hoe : «Governemanta fôpla». Tokony efa tamin’ny fanendrena an’i Camille Vital anie no nametra-pialana ny minisitra rehetra, dia natsangana ny governemanta vaovao e ! Izany no fomba fanao. Kanefa dia volana maromaro aty aoriana vao tanteraka izany. Tsy ho lasa lavitra io satria resaka kiantranoantrano ary nanilika ny ankolafy sy ny firehana hafa.
 
TT : Anisan’ireo natonina ve ianao mialoha ny nananganana ny governemanta ?
RR : Tsy nisy nanontany ahy mihitsy, ary raha nantsoina aza aho, dia tsy niditra.
 
TT : Tena vahaolana ve aminao ny fanatanterahana ny «Pretoria 2» ?
RR : Somary kely finoana amin’io ihany aho, satria efa iaraha-mahalala fa tsy manaiky an’io no sady mety tsy ho avy any ny ankolafy Rajoelina. Tsy misy dikany anefa ny fifanarahana sy ny sonia atao, raha vao tsy ampy iray monja. Raha handrangaranga ny sazy indray ny sehatra iraisam-pirenena dia tsy ny HAT irery intsony no voakasika fa ny vahoaka iray manontolo. Ka noho izany, araka ny hevitro dia ilaina mitady hevitra hafa, fa tsy voatery ho Pretoria foana.
 
TT : Tsy ilaina intsony ve izany ny fifampidinihan’ny ankolafy 4 aminao ?
RR : Tena ilaina mihitsy, fa raha ny fahitako azy dia tokony hifantoka amin’ny fananganana ny governemanta iombonana sy iaraha-mitantana miaraka amin’ny fanendrena ny praiminisitra aloha ny rehetra. Avy eo mifanaraka amin’ny fananganana ireo andrim-panjakana hafa, efa tsy dia misy olana firy intsony mantsy ny amin’ireo. Aorian’izay vao miresaka sy miady hevitra ny amin’ny «amnistie», satria io no tena nampikatso ny fifampidinihana hatramin’izay. Tsy mety mantsy raha mifampiziriziry mandavan-taona eto, fa tokony haroso sy hapetraka izay zavatra mampitovy hevitra ho an’ny tombontsoa iombonana.
 
TT : Nanambara ny hiverina an-tanindrazana tsy ho ela Atoa Marc Ravalomanana, ny hevitrao ?
RR : Izy no nanambara izany, dia tompon’andraikitra amin’izay toky nomeny izy ary mahafantatra tsara ny zavatra ataony. Fa raha ny fahitako azy aloha, sarotsarotra ihany ny momba izany satria tsy milamina tanteraka ny eto.
 
TT : Vazivazin’ny olona ankehitriny raha miresaka ny hetsiky ny ankolafy telo ny hoe : mitombo ny isan’ny mouvances, saingy mihena ny isan’ny olona. Mitovy hevitra amin’izany ve ianao ?
RR : Efa ela ihany izay herintaona nitolomana izay, ary hita indraindray fa reraka sy kivy ny olona, ao aza no hita ho tena tofoka sy leo mihitsy ; satria tsy mety hita ny tena marina. Saingy ny tolona dia mitohy ary tsy maintsy mandresy.
 
TT : Hofaranana ny resaka, ny ho fehin’izay rehetra nambara teto izay ary ?
RR : Tsy misy afa-tsy ny fifampiresahana no vahaolana, raha ohatra ka tsy mety ilay mivoaka any ivelany, azo tanterahana eto Madagasikara izany. Averiko ihany fa izay tokony hampifanaraka aloha no hotanterahana fa tsy mandany andro amin’ny zavatra mbola mila adihevitra be. Efa maro koa ny zava-nitranga, ka aoka izay ny fampidirana ny foloalindahy ao anatin’ny resaka politika. Mila hatsahatra ihany koa ny fizarana vola eo anivon’ny foloalindahy, tahaka ny ataon’ny HAT amin’izao fotoana. Afaka mihavana ho azy ny samy miaramila rehefa tsy misy ny resa-bola sy ny resaka politika.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT