Hanambatra ny heriny hanongana ny fitondrana HVM ny mpanohitra. « Tsy zakan’ny ain’ny vahoaka Malagasy intsony raha mbola hajanona hatramin’ny taona 2018 izao fitondrana mijoro izao »,
hoy ny feo niverimberina nandritra ny hetsika politika notarihin’ny Mitsangana ry Malagasy tetsy Andrefanambohijanahary ny sabotsy 27 aogositra teo. « Tsy maintsy hatambatra ny hery », hoy ireo nifandimby nandray fitenenana. Fikambanana sy antoko politika maherin’ny 40 hatramin’ny faran’ny herinandro teo no efa miray feo. Tsy hijanona intsony ity hetsika ity fa hanao tohivakana amin’izay, hanilihana HVM sy ny forongony tsy ho eo amin’ny fitantanana ny firenena intsony, hoy hatrany ny fanambarana teny amin’ny tanin’i Sylvain Rabetsaroana, Andrefanambohijanahary io sabotsy io. « Miala no mety amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina », hoy i Hajo Andrianainarivelo filohan’ny antoko MMM. « Hisaorana izy nahavita izay roa taona tsy nahitany vahaolana sy mangirana izay », hoy izy nanohy ny teniny saingy « hiangaviana kosa izy hiala am-panajana » hahafahana mitady vahaolana maika hanavotana ny firenena. Tanjona iray ihany no hiraisan’ireo fikambanana sy antoko politika ireo dia ny « hanatanteraka ny fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fotoana », arahin’ny fanovana rafitra. Izay ihany no vahaolana ! Miantso ireo mahatsiaro hiharan’ny tsindry hazo lena sy ny fahasahiranana mangidy ny Mitsangana ry Malagasy mba hifanome tanana aminy. Nandray anjara tamin’ity hetsika tamin’ny sabotsy ity ny praiminisitry ny tetezamita iraisana sady kandidan’ny MAMIMAD (Malagasy Miara Mandroso Aron'ny Demokrasia) tamin’ny fifidianana Senatera farany teo, Jean Omer Beriziky, ny kandida filoham-pirenena isany Sylvain Rabetsaroana, Hajo Andrianainarivelo (MMM), Rabearison Roland Dieu Donné na Vahombey (FAMà : Fanambinana Madagasikara), teo koa ry Razanamahasoa Christine (MAPAR), Lanto Rakotomavo MOVMA (MOuvement Visionnaire pour Madagascar), Rakotoarisoa Faniry Alban (APM : Antoko Politika Madio), Raboanarijaona Holijaona (Emergence Madagascar), Razafimanantany Faniry (AFP : Antso ho Fanavotam-Pirenena), Patrick Georget (Antoko Maitso) … Ny Sabotsy ho avy izao indray moa no fotoana nomen’izy ireo ny rehetra etsy Andrefanambohijanahary ihany. Efa niatrana teny manodidina ny toerana nisian’ny hetsika ny Emmo-Reg io sabotsy io.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.