Politique

Mitsangana ry Malagasy Hitsapa ny heriny


  • Zoma 26 Aogositra 2016

Milaza hamory olona ao amin’ny Kianja mitafo Mahamasina ny hetsika Mitsangana ry Malagasy rahampitso sabotsy 27 aogositra, taorian’ny filazan’ny mpitarika ny fahavononana handrodana izao fitondrana izao.

Raha tamina toerana an’olon-tsotra tetsy Andrefanambohijanahary izy ireo no nanao fivoriana tamin’ny 9 jolay 2016 dia hiditra amin’ny toerana tantanin’ny Kaominina indray ankehitriny amin’ny alalan’io fiantsoana vahoaka etsy amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina io. Fifanandrifian-javatra ve sa mitsapa hery ireo mpitarika ka mandeha isan’ambaratonga ny hetsik’izy ireo, manamasaka ka ho tonga eny an-kalamanjana toy ny eny Analakely koa aoriana kely ? Tsy hay na hisy hanohina ny antson’izy ireo na hanara-dia ireo hetsika politika tato ho ato. Mifanindran-dalana amin’izany, milaza ny hiverina eny Analakely ihany koa ny Antso ho Fanavotam-pirenena (AFP) rahampitso sabotsy rehefa nitsefotra ny tamin’ny 19 aogositra. Raha ny vaovao azo avy amin’ny Prefektiora eto Antananarivo kosa dia “tsy mbola nisy ny fangatahana” nataon’ny mpitarika ireo hetsika roa ireo. Voalaza ihany koa fa efa ela no nisy namandrika amin’ny fanaovana hetsika ara-panatanjahantena taranja karate ny Kianja Mitafo Mahamasina amin’io fotoana io ka tsy hay izay hitranga. Efa mandeha moa ny feo fa handeha hitety Faritra indray izany aloha ny Mitsangana ry Malagasy.

Toky R.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT