«Fahefana avy aiza no milaza sy ilazan-dRajoelina fa ny fifidianana solombavambahoaka no hatao mialoha ny fifidianana filoham-pirenena ?», hoy i Andriamanana William, mpikambana avy amin’ny antoko Teza, tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly raha nandaha-teny.
Mbola mitohy ny ‘unilatéralisme’ na taritokana, hoy izay naneho ny heviny manoloana iny lahatenin’ny filohan’ny FAT tamin’ny talata alina iny. Raha ny lalàna manko, hoy i Andriamanana William dia tokony hifampierana sy hifampidinihana amin’ny rehetra izany. Mbola misy tetikady maizina ao ambadik’ireny fanapahan-kevitra ireny, hoy i William izay nanentana ireo mpandala ny ara-dalàna ho mailo sy hampitombo ny firaisankina. Tsy fotoana hilazana fa nandresy isika izao, hoy izy satria sarotra ny hino fa ny olona tahaka an-dRajoelina dia hiala tsotra amin’izao kanefa efa zatra niadam-be.
«Tsy hisy fifidianana vanona koa eto raha tsy mody i Dada”, hoy ihany William nanamafy. Hamafisina ny hetsika, hoy ihany izy hanerena an-dRajoelina hampody an’i Dada sy hanosehana an-dRajoelina hanipy ‘gants’. Niantso ho amin’ny fahamailoana ihany koa ny CT Ranaivorazo Raobelina Fenomanjato manoloana ireny kabary ireny. Raha niteny i Andry Rajoelina fa tsy hilatsaka, hoy izy dia vaky ny sambon’Ambohitsorohitra, samy manao izay hanavotany ny tenany. Tsy ny firotsahany na tsia kosa no nandrasana tamin’i Andry Rajoelina, hoy ny i Loginco solontenan’ny ankolafy Zafy Albert, fa izy miala no nantenina, mba hametrahana ny fifandajan-kery mialoha ny hananganana Repoblika vaovao. Mila mailo isika, hoy ihany izy satria ireny no atao hoe ‘cadeau empoisonné’, izany hoe fanomezana misy poizina, feno kajikajy politika.
Mikasika izay indrindra dia nilaza ny CT Randriamamizafy Ignace fa dia mbola ho filoha foana Rajoelina ka hampiasa ny fahefam-panjakana amin’io fifidianana solombavambahoaka hataony io ary dia hahazo ny maro an’isa izy amin’izany. Izany dia midika fa ho azony ny filohan’ny Kongresy na ny Antenimieram-pirenena amin’izany, avy eo ny praiminisitra ary dia mbola hijanona koa ireo ao amin’ny Antenimierandoholona. Avy eo izy dia hirotsaka. Araka izany, hoy ity zanak’i Moramanga dia hametraka olana fanampiny indray.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.