Mihazakazaka mitety faritra indray i Andry Rajoelina hatramin’ny volana jolay no ho mankaty. Tsy mitsahatra ny mampanantena fanamboarana fotodrafitrasa goavana sy manara-penitra izy amin’izay alehany, f’izay angamba no laharampahamehan’ity fitondrany ity.
Tao Maintirano, ny fiandohan’ny volana aogositra 2010, hanorina hopitaly maoderina misy fitaovana raitra mba tsy hivezivezen’ny marary izy. Hanangana oniversite handrantoan’ny ankizy fianarana koa mba tsy handehanany any an-tany hafa. Talohan’io, faran’ny volana jolay 2010, tao Mahajanga indray dia nampanantena hanorina hopitaly manara-penitra amina velaran-tany 10ha i Andry Rajoelina. Tao Ambatondrazaka dia hanamboatra ny lalam-pirenena faha-44, hatao sentetika ny kianja Rasolonjatovo ankoatra ny dobo filomanosana olempika. Tao Antsiranana indray izy ny sabotsy 11 septambra teo dia tsy misy valaka ihany ny zava-boalaza.
Hanao ho sentetika ny kianja Mitabe, hanorina hopitaly eo amin’ny toerana saika hanaovan’ny vondron’orinasa Tiko, Magro tao Antsiranana, ankoatra ny fanarenana ny SECREN ka nilazana fa homena vola telo miliara ariary. Manginy fotsiny ny eto Antananarivo, hanamboarana an’Antsonjombe, ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo, ny fanorenana fonja manginy fotsiny. Miteniteny aloha raha ny sorabola. Ny mahagaga dia tsy voatsinjo tao amin’ny tetibolam-panjakana nofaritana ary nankatoavin’ny Fitsarana Avon’ny Lalàmpanorenana ny faran’ny taona 2009 ireo. Manararaotra ny tsy mampisy ny Parlemanta i Andry Rajoelina. Raha nisy Antenimieram-pirenena sy Antenimierandoholona tokoa mantsy teo, dia ho hafa ny fipetrany. Avy aiza ny vola enti-manana ireny ? Raha nisy Parlemanta koa teo, mety ho nasiam-panitsiana ny laharam-pahamehana manoloana ny fahoriam-bahoaka. Milaza ho manam-bola hanorenana hopitaly ny FAT, maninona moa raha tsaboina maimaimpoana ny Malagasy marary, toy izay koa ny fanafody, satria mandalo krizy ny firenena. Etsy Tsaralalana mantsy vidina 1000Ar isan’ora ny oksizena fameloman’aina, ho an’ny zaza marary.
Raha milaza ho mitsinjo vahoaka ny FAT, maninona no tsy atobany eny an-tsena ilay vary mora 500Ar ny kilao, ny menaka sy ny mofo dipaina mora ? Any Marolambo mantsy izao efa 600Ar ny kapoakan’ny fotsimbary. Rehefa tsy izay no izy, dia mazava ny resaka. Koa satria tsy tafavoaka ilay Antenimieram-panorenana na Assemblée Constituante nokasaina hametraka an-kolaka an’i Andry Rajoelina ho filohan’ny Repoblika faha-4, koa satria nandiso fanantenana ny fikaonandoham-paritra noheverina hamela malalaka tsy misy fe-taona ny olom-pirenena malagasy hilatsaka hofidina ho Filoham-pirenena, koa satria nanambara fa tsy ho kandida hilatsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena dia milomay mitety Faritra indray ankehitriny i Andry Rajoelina, manao pi-maso amin’ireo fampanantenana samihafa, nefa miandry vava latsaka amin’ny “vahoaka” handrotsaka azy hofidiana filoham-pirenena hanampy ireo mangataka izany ao amin’ilay onjampeo tsy miankina iray eto Antananarivo, mba hilazana fa ny “vahoaka” any amin’ny Faritra mihitsy no mangataka azy hilatsaka ka dia niverina amin’ny teniny “izy”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.