Mazava izao ny resaka fa tsy hisy fifidianana filoham-pirenena amin’ity taona 2011 ity, raha ny fanazavan’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina teny Ivato ny alahady alina teo tamin’ny fiverenany avy any Frantsa no zohiana.
Karazam-pifidianana telo no voaresany fa mety hotanterahana. Izany aza dia mbola aorian’ny fivoriana iarahan’ny mpanao politika nanao rangopohy teny Ivato sy ny fitondrana tetezamita vao tena ho fantatra marina izay tena hatao. Eo aloha ny fifidianana Ben’ny tanàna sy lehiben’ny Faritra, izay azo ampiarahana, ao ihany koa ny fifidianana solombavambahoaka. Tsy nisy resaka intsony ilay fifidianana filoham-pirenena fa dia ny fifidianam-paritra izany aloha no noeritreretin’ny FAT ary efa tonga eny amin’ny Parlemanta ny volavolan-dalàna mikasika izany. Niova hevitra indray izany i Andry Rajoelina sy ny tariny satria nalaza herintaona lasa izay ny hoe solombavambahoaka avy hatrany no fidiana aorian’ny fahavitan’ny fitsapan-kevi-bahoaka, ary efa nisy soso-kevitra ny hampiarahana io fifidianana io amin’ny filoham-pirenena koa aza.
Dia izao miova izao indray ny raharaha. Ho an’ny mpanara-baovao politika dia tsotra ny anton’io, hiezaka ny hametraka sy hampandany ireo olony any amin’ny Kaominina sy ny Faritra rehetra any ny TGV sy izay antoko mitovy loko politika aminy, afaka mampiasa ireo olom-panjakana am-perinasa sy ny fitaovana rehetra eo am-pelatanany izy ireo ao anatin’izany rehetra izany. Rehefa azo antoka tsara fa akama ny ankamaroan’ireo olom-boafidy dia mora ny fanaovana propagandy amin’ny fifidianana filoham-pirenena any aoriana, ary dia hihamafy orina sy fototra ny antokon’ny fitondrana dia ny TGV izany.
Araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao politika azy ihany dia ho ratsy ny isam-baton’i Andry Rajoelina raha amin’ity taona ity no hanatanterahana ny fifidianana Filoham-pirenena noho ireo olana maro samihafa tsy voavahan’ny FAT, arakaraka ny maha ela ny FAT eo amin’ny tetezamita ihany koa no hahafahany maka faka tsara sy mitety faritra mba handresena lahatra ny malagasy handrotsa-bato ho an’i Andry Rajoelina. Efa nanomboka izany tamin’ny fandehanana any amin’ny faritra hanara-maso ny fizotry ny fanamboarana ny lisi-pifidianana ireo minisitra, ary ny faran’ny herinandro teo aza dia nitety faritra maro tany amin’iny ilany atsimo andrefan’ny Nosy iny ny praiminisitra Camille Vital. Mahalala tsara ny tanjany sy ny fahalemeny i Andry Rajoelina ka manamboatra ny tetiandrom-pifidianana mba hahazoany tombontsoa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.