Politique

Misavorovoro ny fanjakana Niala ny minisitry ny vola, hiova ny governemanta ?


  • Alatsinainy 17 Jolay 2017

Mbola voaporofo indray omaly fa misy zavatra tsy milamina intsony ao anatin’ny governemanta sy ny fitondram-panjakana amin’ny ankapobeny.

Nahazo antso an-telefaonina ho fampandrenesana ny mpanao gazety omaly manodidina ny tamin’ny 5 ora hariva teo, avy amin’ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny minisitry ny vola, Marie Gervais Rakotoarimanana fa hanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety ingahy minisitra amin’ny 5 ora sy sasany ao amin’ny hotely Carlton Anosy. Samy nikoropaka ireo mpanao gazety izay nahafantatra io vaovao io ka namonjy teny an-toerana. Rehefa niandry minitra maromaro teo dia nahazo teny indray hoe tsy raikitra ny valandresaka saika hataon’ny minisitra fa hahemotra amin’ny fotoana manaraka. Ny nanaitra dia ny hoe nahoana no mampiantso amin’ny andro alahady hariva ary tsy eny amin’ny biraony eny Antaninarenina fa any amina hotely ny minisitry ny vola. Nandeha teo ny adihevitra hoe nisy volamena tratra indray ve teny Ivato sa momba ireo vola taratasy vaovao no anton-dresaka ? Rehefa nandeha teo ny fikarohana loharanom-baovao hafa dia re fa nikasa hanambara ny fialany tsy ho mpikambana ao amin’ny governemanta intsony amin’ny maha minisitry ny vola azy Andriamatoa Gervais Rakotoarimanana. Araka ny loharanom-baovao iray avy amin’ny mpiara-miasa akaiky aminy dia efa nahasoratra ny taratasy fametraham-pialany mihitsy izy mialoha ny niantsoany mpanao gazety hiresaka aminy teny amin’ny hotely Carlton ary efa voaloa ny hofantrano tao. Inona no antony nanosika an’ity minisitra ity hiala ary inona ihany koa no nampihemotra azy tampoka tamin’ny minitra farany ? Nandeha be ny resaka halina fa toa hoe naharay antso an-telefaonina i Gervais Rakotoarimanana ka izay no tsy niresahany indray tamin’ny mpanao gazety. Nisy loharanom-baovao nandrenesana indray avy eo fa tsy mety amin’ny fitondram-panjakana, hono, ilay minisitra mametra-pialana fa amboarina hoe nisaorana izy , izany hoe noroahina fa tsy nanala tena. Ary efa nisy an’izay ihany dia mety hohararaotina ny fanovana ny governemanta, mety anio tolakandro na rahampitso satria handao an’i Madagasikara fa hiatrika ny lalaon’ny Frankofonia any Cote d’Ivoire ny filoha Rajaonarimampianina rahampitso talata.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT