Politique

“Misahotaka manao sarinady ny FAT”, hoy ny tao amin’ny Magro Behoririka omaly


  • Zoma 22 Jolay 2011

Mikoropaka ny Fitondrana Avon’ny Tetezamita ary mikorontana izy ireo tamin’ireny resaka vola amina miliara ariary very ireny”, hoy i Guy Roger tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly.

 Nohamafisin’i Navalona avy hatrany izany tamin’ny filazana fa : “tsy manam-bola ho an’ny CT ny fitondrana raha ny marina dia rebirebena ny olona”. Dia mbola nanampy izany hatrany Ignace hoe : “na, misy ilay vola dia misy mpiray tsikombakomba, na ao Tsimbazaza na any an-toeran-kafa. Na, tsy misy dia manao sinema”. “Volam-bahoaka io ka mila mahalala ny marina mikasika an’iny ny Malagasy”, hoy izy. Fanontaniana mampieritreritra no nanohizan’i Dominique izany : “Ny olona rehetra ao amin’ny FAT dia manana “garde du corps” daholo ka vola be ve dia tsy misy mpiambina ? “Ny marina dia miaka-dapa ny malaso”, hoy kosa i Sazalahy Tsianihy, “soa fa ho avy ny tompom-pahefana”. Nilaza ny hagagàny ny Depiote Zafilahy Stanislas fa : “nisy nanafika, hono, ny volan’ny CT. Tsy voafehin’ny FAT intsony ny fitantanana, indrindra fa ny fandriampahalemana. Aiza ny mpiambina ? Sarinady indray ilay izy”, hoy izy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT