Politique

Misahotaka ao Toliara Mpanohitra 4 any am-ponja, takalonaina ny mpanolotsain’i Vital


  • Alarobia 16 Jona 2010

Mafana, mba tsy ilazana hoe mahamay ny toe-draharaha ao Toliara ao hatramin’ny alahady no ho mankaty, taorian’ny nisamborana ireo mpanohitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana sy ny Tokobe Telo.

8 lahy tamin’izy ireo no nosamborin’ireo Emmo-Reg. Navotsotra ny 4 rehefa nandalo ny Fampanoavana, ny 4 ambiny kosa dia nofonjaina avy hatrany. I Sazalahy Tsianihy, Tababelo Mandaso na Marin, Mandridake Rabeony ary Zantera Milson ireo nofonjaina ireo. Olon’ny Tokobe Telo ny ankamaroan’izy ireo, eo koa ny mpitarika avy amin’ny firehana Ravalomanana. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana dia hatramin’ny alatsinainy teo dia nanomboka nitokona nanodidina ny tobin’ny zandary ireo andian’olona mitaky ny hamoahana ireo namany. Tanora avy amin’ny Tokobe Telo ny ankamaroan’izy ireo.

Mandritra izany moa dia manamarika ny loharanom-baovao fa tsy hita tao Toliara renivohitra ny lehiben’ny faritra Atsimo Andrefana, Dimby Benaria ary nandao izany tanàna izany koa ny fianakavian’ny praiministry ny FAT, ny jeneraly Camille Vital. Omaly dia mpanolotsaina ara-teknikan’ity praiministra ity miaraka amin’ny zanany no nalain’ireo tanora takalo hamoahana ny naman’izy ireo any am-ponja. Hatramin’ny fotoana nanoratana anefa aloha dia mbla samy mitazona ny azy ny roa tonta, mbola any am-ponja izy efa-dahy ary mbola tanan’ny tanora Tokobe Telo koa izy mianaka. Araka ny vaovao ihany dia nandefa miaramila fanampiny any ny FAT saingy tsy nahasahy nifanehatra tamin’ireo tanora, izay vonona hisedra izay mitranga, ireo iraka. Re fa hisy filaharambe ao Toliara amin’ity anio ity, hitaky ny hamoahana ireo nofonjaina. Ahiana ny hisian’ny fifandonana mahery vaika satria dia milaza ny tsy hihemotra ireto andian-tanora ireto raha tsy mivoaka ny fonja ny havan’izy ireo. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT