Mihetsiketsika mba tsy ho diso anjara amin’ny fitantanana ny Repoblika faha-4 ireo fikambanana mivoy ny miralenta.
Nanatontosa atrikasa izay nanasany ireo vehivavy mpanao politika, ministra taloha, andriambavilanitra avy amin’ny fiarahamonim-pirenena ary tompon’andraikitra ambony eny anivon’ny ministera ny FES sy ny Simiralenta omaly. Nampitondraina ny lohateny «Miralenta ho an’ny demokrasia» ny atrikasa izay niadian-kevitra momba ny paikady ahafahana mametraka ny miralenta eny anivon’ny andrim-panjakana sy ny fandraisana anjaran’ny andriambavilanitra amin’ny fanapahan-kevitra momba ny fiarahamonina sy ny firenena. Nomena sehatra nizara ny traikefany tamin’ireo mpandray anjara koa i Tebelelo Seretse, ministra sy solombavambahoaka botsoaney teo aloha sady filoha lefitry ny antokon’ny fitondrana any an-toerana ankehitriny.
Niaiky i Jeannine Ramarakoto, filohan’ny Simiralenta izay mpikarakara fa tara raha oharina amintsika ry zareo Botsoaney eo amin’ny sehatry ny miralenta saingy tsy ny isan’ny vehivavy tompon’andraikitra ihany no zava-dehibe fa ny andraikitra sahanin’ny tsirairay sy ny fahaizany manatontosa antsakany sy andavany izany koa. «Misy tokoa ny vehivavy mitazona andraikitra ambony eto amintsika saingy mipetraka ny fanontaniana raha mpandray baiko fotsiny izy ireny sa tena mpanapa-kevitra amin’ny asa sahaniny». Tanjona amin’ny atrikasa koa ny fampitomboana hatrany ny fandraisana anjaran’ny vehivavy amin’ny lafiny fitantanana amin’ny ankapobeny izay tokony haharesy lahatra ny sokajim-piarahamonina rehetra. Raha ny tsapa eo amin’ny sehatry ny politika araka ny nambaran’ny filohan’ny simiralenta ihany dia ataon’ny mpanao politika tohatra fiakarana ny vehivavy mazàna, indrindra rehefa misy ny fifidianana ka havitsiana ihany no mametraka azy ho lohalisitra fa saika toerana mpanolotsaina matetika no omena azy mba hisintonana ny mpifidy fotsiny
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.