Politique

Miralenta Tsy fantatry ny FAT sa tsy matoky vehivavy ?


  • Alarobia 13 Oktobra 2010

Anisan’ny zavatra nimasoana teto Madagasikara ny fanomezana lanja ny vehivavy eo amin’ny sehatra rehetra. Tsy teo amin’ny lafiny sosialy ihany fa nezahin’ny fanjakana teo aloha nomena toerana teo amin’ny fihariana sy ny politika ny vehivavy, ary dia tafiditra ao anatin’ireo mpanapa-kevitra ny andriambavilanitra.

 Nandritry ny fitondrana Ravalomanana dia efa nanodidina ny 20% ireo vehivavy niantsehatra ary nanapa-kevitra teo amin’ny fitondrana ny raharaham-pirenena. Tato anatin’ny herintaona anefa izao dia tsikaritra fa nitotongana be ihany izany fanomezan-danja ny miralenta izany. Raha jerena, ohatra, tamin’ny fanendrena ireo lehiben’ny faritra dia tsy nisy na dia vehivavy iray aza. Raha ho an’ireo mpikambana eo anivon’ny FAT indray koa dia 3 monja amin’ireo mpikambana 41 no mba vehivavy. Vao tsy ela fa tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity no nanendrena ireo mpikambana eo anivon’ny CST sy ny kongresin’ny FAT. 9 monja tamin’ireo 90 notendrena (10%) no mba vehivavy ao amin’ny CST. Araka izany dia hita fa tsy fantatry ny FAT ny momba izany hoe miralenta izany. Azo heverina ihany koa fa tsy manam-pahatokisana ny vehivavy malagasy ireo ‘mpitondra lehilahy’ ankehitriny. Ny reny anefa no loharano ary na tiana na tsy tiana manana ny toerany sy ny maha izy azy ny vehivavy. Ankoatra izay dia maro an’isa izy eo amintsika ka ny fanaovana tsinontsinona azy dia hiteraka fatiantoka ho an’ny firenena. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT