Politique

MIR-4 ao Toamasina I Ekipan’ny Kaominina no mpanangana azy


  • Zoma 01 Oktobra 2010

Nampahafantarina ny alarobia tolakandro teo tao Ampasimazava Toamasina ny fitsanganan’ny MIR-4 na ny “Manda Iorenan’ny Repoblika faha-4”. Ny mpandrindra ny MIR-4, Razafindrajery Herisetra sy ny mpitondra teniny, Naivo Michel, no nanazava tamin’ny mpanao gazety ny fijoroany.

Nambaran’izy ireo tamin’izany fa “izay tapaky ny vava, tsy misy romoromo”, ka ny tanjona dia ny “hiarovana ny tapaka nandritra ny dinika nasionaly sy ny dinika santatra farany teo ireny amin’ny fananganana ny Repoblika faha-04 hiala amin’izao krizy lalina izao”. Araka ny fanazavan’izy ireo dia tsy fanganana milisy na hifanenjehana ara-poko sy ara-piaviana no anton’ity MIR-4 ity, fa ny hisian’ny fihavanana eo amin’ny samy Malagasy satria voasolo tena ao anatin’ity fikambanana ity ny Foko 18 ao Toamasina. Tanjona hoy izy ireo ny tsy hiverenan’ny zava-nisy tahaka ny tamin’ny 1972, 1991, 2002 ary ny farany teo 2009 nisiana fanimbana sy fifamonoan’ny samy Malagasy.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT