Politique

Ministra Organčs Notsipahin’ny Prezidansa ny fanapahan-keviny


  • Talata 02 Novambra 2010

Najanona tamin’ny ora farany ny famindram-pahefana izay saika hatao teo amin’ny kaomisera Jean Brunel Razafindrahofa sy ny kaomisera Hassan Soufiane izay voatendrin’ny ministry ny filaminana anatiny, Organčs Rakotomihantarizaka, ho solony eo amin’ny fiarovana ny sisin-tany eny Ivato.

Efa tonga teny an-toerana avokoa na ny kaomisera Divizionera Rakotobe Eustace, na ny talen’ny logistique eo anivon’ny polisy, teo ihany koa ny kaomisera Hassan, no nisy antso avy any amin’ny Prezidansa nilaza ny hanafoana avy hatrany io famindram-pahefana io. Mijanona eo amin’ny toerany arak’izany ny kaomisera Brunel ary tsy fantatra kosa izay hahazo ny ministra Organès izay hita fa voatsipaka ambavafo tanteraka manoloana ny zava-nitranga. Samy niveri-maina ireo olona ambonin’ny polisy ary nanohy ny asany avy hatrany kosa ny kaomisera Brunel izay notohanan’ny fikambanana maro. Raha ny fantatra koa mantsy dia nisy fanambarana nataon’ny fikambanana Grand Sud-Est izay ifandrimbonan’ireo polisy avy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana momba ity raharaha ity. Notsipahin’izy ireo ny fanalana amin’ny toerany ny kaomisera Brunel ary angatahin’izy ireo tsy misy hatak’andro kosa ny fialan’ny ministra Organès eo amin’ny toerany. Misy ny ampamoaka izay ao anatin’ny pejy iray nataon’ity fikambanana ity momba ny nataon’ity ministra ity. Mandeha ny feo fa mety hisy ny fanovana governemanta ato ho ato ary mety ho isan’ny ho lasa amin’izany ity ministra voalaza anarana etsy ambony ity. Ny fitsipahan’ny avy eny Ambohitsorohitra ny fanapahan-keviny rahateo dia toa efa mamofompofona sahady an’izany mety ho fialany izany. Ho hita manaraka eo ihany anefa ny fivoaran’ny raharaha 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT