Politique

Ministra Organčs Mahatsiaro ho afa-baraka


  • Alakamisy 28 Oktobra 2010

Nanao valandresaka mitokana mihitsy i Organčs Rakotomihantarizaka, ministry ny filaminana anatiny, mahakasika ny fanalam-baraka nianjady taminy tao amin’ny onjam-peon’ny Viva, afak’omaly, nandritry ny fandaharana «Anao ny fitenenana».

Anisan’ny voatsipika tao, araka ny loharanom-baovaon’ny mpanentana io fandaharana io, fa i Organès no tao ambadiky ny fampidirana an’i Phillipe Verdon teto Madagasikara. Izy ihany koa no voalaza fa nanome baiko ny kaomisera Brunel, lehiben’ny PAF (fanaraha-maso ny sisintany) ny hanala ny anaran’io Frantsay izay voarohirohy ho mpikarama an’ady io ao anatin’ny lisitry ny olona tsy afaka miditra eto Madagasikara ka haverina avy hatrany etsy Ivato. Novalian’ny ministra Organès izany. «Fampiadiana olona no tanjon’i Lalatiana Rakotondrazafy tao amin’ny Viva. Lainga avokoa ny nafafiny tao ary fantatro ny olona ao ambadik’izany. Efa misy rahateo ny fanadihadiana misokatra. Asa raha mba tsapan’i Lalatiana fa toa ireny zazakely manao tantara ireny izy ao amin’ny onjam-peo ao. Roritiny araka izay hitiavany azy ny zava-misy ary tsy mifatafata ny manila baraka olona. Tsy izaho velively no hanaiky izany. Haratsiany amin’ny lafiny rehetra aho nefa tsy anjarako ny mitsara izany», hoy ny fanazavan’ity ministra izay tapa-kevitry ny nanambara ampahibemaso ny tsy fankatoavany ny fataon’ity mpanao gazety manentana fandaharana isa-maraina ao amin’ny Viva ity. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe, mijanona amin’ny tsy fankatoavana fotsiny ve izany sa mba horaisina ny fepetra mifandraika amin’ny fanalam-baraka amin’ny onjam-peo ka mety mba ho tonga amin’ny fanakatonana izay onjam-peo tompon’andraikitra amin’izany ? Mampatsiahy ny nahazo ny Radio Fahazavana sy ny mpanao gazetiny...

Encadré :
Mikasika ity raharaha ity moa dia nesorina tamin’ny toerany ny Talen’ny PAF, ny kaomisera Razafindahofa Jean Brunel.
 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT