Politique

Ministra gasy tsy nahazo «visa» Mahoraka be ao La Réunion


  • Alakamisy 05 Aogositra 2010

Naresaka an-gazety sy tamin’ireo Malagasy monina sy miasa atsy La Réunion ny mikasika ilay ministry ny fanatanjahantena hoe : «tsy nahazo visa”.

Ireo ministra roa lahy Ramamonjisoa Virapin, misahana ny fanatanjahantena sy Ranaivo Serge, misahana ny tanora sy ny alavoly moa no tokony ho nifandimby nitarika ny delegasiona Malagasy miatrika ny Lalaon’ny Cjsoi atao atsy La Réunion ny 30 jolay hatramin’ny 6 aogositra. Tamin’ny fotoana farany nialoha ny fiaingana ny ministry ny tanora sy ny alavoly no nahenoana fa tsy afaka handeha indray noho ny antony ara-pahasalamana. Efa niomana ary nampandroso ny fiaingana hihazo an’i La Réunion indray noho io antony io ny ministry ny fanatanjahantena na dia efa saika taratara aza vao handeha. Naresaka tao La Réunion anefa fa “tsy nahazo visa ny ministra ary ny antony tsy fankatoavana ara-politika no nahatonga izany”. Rehefa nozohiana ny fototry ny resaka dia taratasy avy amin’ny Préfet ao La Réunion, Lalande, ny 16 jolay ho an’ny masoivoho frantsay eto Madagasikara, Jean-Marc Chataigner izay nalefany tany amin’ny ministra ny 22 jolay teo, nilaza ny fitakiany ny anaran’ny tomponandraikitra tendren’ny ministra hanolo ny toerany.

Efa niomana ny tsy fampandraisana anjara ny ministra mihitsy mantsy ny mpikarakara ity Cjsoi ity tamin’ny lanonana rehetra toy ny lanonam-panokafana sy ny fivorian’ireo ministra… Marihina anefa fa ny ministra avokoa no nanendry ireo tomponandraikitra mitarika ny delegasiona Malagasy any La Réunion. Raha nanontaniana moa ny ministry fanatanjahantena maorisianina, Ritoo, anisan’ireo nanatrika io fivorian’ny Cjsoi omaly tany St Denis La Réunion io dia nanambara fa “efa zava-dehibe ny fahafahan’ireo atleta Malagasy miatrika ny Cjsoi… Resaka politika tsy tiako hidirana kosa ny tsy fahafahan’ny ministra Malagasy manatrika izao Cjsoi izao”. Efa tapaka moa fa hatao any Kaomaoro ny Cjsoi andiany faha-8 manaraka amin’ny taona 2012. 

Hery Rabe
(St Denis La Réunion)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

  • Vonison Andrianjato
  • Talata 28 Aprily 2026

«Fifandimbiasana ara-jeografika sy

  • KOHEN RIVOLALA
  • Talata 28 Aprily 2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

  • Maminirina Miharisoa
  • Talata 28 Aprily 2026

na Tonton Mamy

  • olon-dRajoelina
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

"Miezaka mampisara-bazana ny mpitolona"

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

Hijery ny tohiny
FTT