Politique

Ministeran’ny raharaham-bahiny Misy mpanolotsaina manao didin’ny besandry


  • Alarobia 27 Jolay 2011

Miharatsy ny fiarahamonina eo anivon’ny ministeran’ny raharaham-bahiny.

 Mitady hanjakazaka tsotra izao mantsy ny mpikambana sasany ao amin’ny kabinetran’ny minisitra am-perinasa ka miteraka fahasorenana amin’ny mpiasa raikitra. Misy amin’ireo mpanolotsain-dRtoa Yvette Sylla no miditra biraon’olona ka misavasava ireo antontan-taratasy mipirina eo ambonin’ny latabatra avy hatrany. Tsy misy arahaba na fahalalam-pomba faran’izay tsotra akory. Ankoatra ilay tsy fahaiza-miaina dia mahatohina ny mpiasa iharany koa ny fahasahiana diso tafahoatra ananan’ireo mpanolotsaina sasany. Misy amin’izy ireo no tsy manana ny fahaizana ampy sy ny fahefana hamantatra ny votoatin’ireny antontan-taratasy mirakitra tsiambaratelo momba ny fifandraisana iraisam-pirenena akory.

Vao tamin’ny herinandro lasa indray dia misy lehiben’ny sampandraharaha iray eo anivon’ny ministera no nahazo fandrahonana avy amin’ny mpikambana ao amin’ny kabinetra iray izay nanambara taminy imaso imaso fa haka ny toerany ary hiresaka amin’ny minisitra momba izany. Efa ela no niotrika ny alahelon’ny mpiasa izay ahiana ny hipoahany. Tsy noho io resaka tsindrihazolena io ihany akory no miteraka ilay fahasorenana fa ny fikatsahana tombontsoa mihoapampana koa, toy ny fitakiana solosaina entin-tanana (laptop) nefa ny fitaovana ampiasain’ny mpiasa raikitra tsy ampy akory. Araka ny fantatra dia tsy nahazo fahafahampo ireo mpanolotsaina ireo noho ny antony ara-bola izay mavesatra loatra.

 

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT