Politique

Ministeran’ny fambolena Tsy namelana ny Sekretera jeneraly raha tsy tafala


  • Alatsinainy 27 Jona 2011

Misoko mangina ny fanesorana tomponandraiki-panjakana ambony eny anivon’ny ministera eny.

 Tao amin’ny ministeran’ny fambolena no heno izao fa nalana tamin’ny toerany ny zoma lasa teo ny Sekretera jeneraly, Rakotoson Philibert. Nahagaga na dia efa nampoizina ihany aza satria raha vao notendren’ny Fahefana avon’ny tetezamita hitantana ity departemantan’ny fambolena ity i Vyvato Rakotovao, ny 26 martsa 2011, dia efa nihozongozona ny toeran-dRakotoson Philibert. Niatomboka tany amin’ny fitadiavana tombontsoa amin’ny fitantanana ireo mpamatsy fitaovana ny ministera ny raharaha dia izao niafara tamin’ny fanilihana tanteraka amin’ny toerany ny Sekretera jeneraly izao, rehefa sakana tamin’ny fanatanterahana izany ity farany. Marihina fa fony fitondrana Marc Ravalomanana no efa Sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny fambolena Rakotoson Philibert. Nitazona azy tamin’io toerana io avokoa ireo minisitra nifandimby notendren’ny Fahefana avon’ny tetezamita talohan’i Vyvato Rakotovao.

Tsy kisendrasendra izany, fa olona azo lazaina ho lakile tamin’ny fitohizan’ny asan’ireo mpiara-miombona antoka ara-bola toy ny Vondrona Eoropeanina sy ny Banky iraisam-pirenena, nanohy ny fanampiana amin’ny tetikasa miantraika mivantana amin’ny tantsaha ny tenany. Voakasik’izany ny AROPA, BVPI, PROSPER, PSDR, AD2M, raha tsy hitanisa afa tsy ireo. Amin’izao nanilihana azy izao, dia ahiana mafy ny hahatapaka ny fiaraha-miasa amin’ny Vondrona Eoropeanina ka hampihantona indray ireo tetikasa samihafa ireo. Ary dia ho tandindomin-doza, araka izany ny tantsaha. Etsy ankilan’izany dia re fa tsy faly amin’ny nanesorana tamin’ny toerany ity Sekretera jeneraly ity ny ankamaroan’ny mpiasa ao amin’ny ministeran’ny fambolena. Mitsoka any an-dalatsaran’ny ministera any amin’izao fotoana ny rivotry ny fitokonana.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT